I Jesoa Mpisorona mampianatra antsika hivavaka lalandava ary noraisin'ireo mpianany ka amporisihiny antsika mba hivavaka lalandava. Tsy afaka hitonona ho kristianina isika raha tsy mivavaka ary ny fiainam-pinoantsika dia marefo raha tsy mivavaka isika. Io vavaka io no anisan'ny asa voalohany takiana amintsika kristianina hanehoantsika ny finoantsika... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Tany amin'ny manodidina ny 260 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Vohémar, no nisy ny foiben'ilay andro ratsy ao atsinanan'ny Faritra Sava, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Hiakatra fitsarana eny amin'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly, na ny PAC, ny alatsinainy 10 marsa 2025, ireo voarohirohy tamin'ny rahararaha fanjavonan'ny cocaïne milanja 200 kg tratra tany Nosy-Be... • Omena lanja manokana mandritra ny hetsika “Foire Internationale de Madagascar”, na ny FIM 2025, ny fisokafan'i Madagasikara amin'ireo firenena afrikanina mivondrona ao amin'ny SADC...

• Voaantso hitondra ny soatoavin'ny Evanjely eo amin'ny fiaraha-monina ny olon-dehibe. Io no manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe, hotanterahana any Morondava amin'ity taona ity... • Aoka isika tsy hihanina amin'ny fomba fiheverana maha olombelona fotsiny, hoy ny Papa François, tamin'ny lahatsoratra nomaniny ho an'ny fandalinam-pinoana ny alarobia lasa teo... • Hotanterahana any Roma, ny 8 sy 9 marsa 2025, ny Jobilin'ny Mpirotsaka an-tsitrapo, ka olona eo amin'ny 25.000 isa eo no heverina ho tonga hanatrika izany...

Tanterahana any Mahajanga nanomboka ny 4 hatramin'ny 8 marsa izao ny fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Loha-hevitra ho voizina mandritra izany ny hoe "fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra"...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...