Ny tsena dia nosokajian'Andrianampoinimerina hoe lapa, laka fihaonan'ny olona maro. Maro ireo tanjona ara-piaraha-monina nokendrena tamin'ny tsena dia ny fifampifehezana, ny fampitoviana ny rehetra, ny fifandambinana, fandrindrana ny fiainan'ny fiaraha-monina, fifampivelomana, fampandrosoana. Nametraka fitsipika maro Andrianampoinimerina mikasika ny tsena, isan'ireny ny famoahany ny venty sy ny fitaovam-pamarana, fandrefesana, fandanjana. Tsy nisy ny fakàna haba sy sara tamin'ny vokatra namidy taloha fa taty amin'ny andro nidiran'ny vazaha vao nisy izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco