Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 4, 42-44)
Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy iray avy any Baala-Salira
nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’i Elisea, olon’Andriamanitra,
dia mofo ôrja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany;
ka hoy i Elisea:
“Omeo ny olona hohaniny”.
Fa hoy ny navalin’ny mpanompony:
“Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato?”
Fa hoy i Elisea:
“Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain’ny Tompo:
‘Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany’”.
Dia norosoana izy ireo ka nihinana,
nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny teny voalazan’Andriamanitra.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Sal. 144, 10-11. 15-16. 17-18
Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao;
ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny,
ny asanao mahery teneniny.
Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-6)
Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo,
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra,
amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray:
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra,
ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady,
ary vahoaka be no nanaraka Azy,
noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary.
Dia niakatra tany an-tendrombohitra i Jesoa,
ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany.
Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody.
Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy,
dia hoy Izy tamin’i Filipo:
“Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?”
Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany.
Dia hoy i Filipo taminy:
“Na dia mofona denie roanjato aza,
tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory”.
Ny anankiray tamin’ny mpianany koa,
dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe:
“Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao:
fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?”
Dia hoy i Jesoa:
“Asaovy mipetraka ny olona”.
Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona,
ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy.
Dia nandray ny mofo i Jesoa,
ka nony efa nisaotra dia nizarazara azy tamin’izay nipetraka
ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo.
Rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
“Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very”.
Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin’ny folo
ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana.
Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe:
“Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao”.
Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo,
ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara manomboka anio ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny ary mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny andiany voalohany amin'ny bakalôrea teknika... ♦ Mbola lavitr'ezaka ny fampiharana sy ny fampanjakana ny demôkarasia ho antsika eto Madagasikara, niadian-kevitra teny amin'ny Arrupe Faravohitra io loha-hevitra io ny farany herin'nandro teo... ♦ Hitohy rahampitso 23 jolay ny fikirakirana ireo antotan-taratasy fangatahana hisitraka karatra matianina ho an'ny mpanao gazety andiany fahaefatra, niisa 243 ireo fangatahana voarain'ny kômity manoka... ♦ Nametra-pialana tsy ho kandidan'ny Demokraty amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Joe Biden...
Rehefa hivavaka dia misy mandrakariva ny toetra ilaina sy toetra takiana ; tahaka izay nolazain'i Jesoa hoe : raha mivavaka ianareo dia aza mila dera sy be lazao fa vavaky ny mpiahatsaravelatsihy ny filàn-dera. Ny toetra takiana sy ilaina raha hivavaka dia ny fanetren-tena. Ny toe-tsaina sy toe-po ilaina ho an'izay mivavaka dia fahatokiana sy tsy mivadika, fianteherana amim-panetre-tena sy an-kafaliana... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
22 jolay 2024 — Masimbavy Maria Madalenina — Fety — Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana. Ny fasan’i Kristy velona no nahitako sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco