Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ny Jihe dia lahabolana fanao amin'ny fifaliana, fahoriana, famondrona hery hanao asa na dia iraisana. Amin'ny fihaonan'ny antoko mpiangaly jihe amin'ny sampanan-dalana iray dia misy ny fifanandrinana, fifamelezana io ilay atao hoe "BILO", eto dia tanana no hifamelezana fa tsy mampiasa fitaovana hafa. Azo ampilaharina amin'ny sangy mahery ny BILO...

  • Hiavaka ny fankalazan'ny mpitandro filaminana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena sy nijoroan'ny foloalindahy Malagasy amin'ity taona ity...
  • Nanao diabe nilanja sora-baventy ary nihaona tamin'ny ben'ny tanàna eny Imerintsiatosika ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro, omaly...
  • Miandry ny tatitra mahakasika ny fitsirihana ny bozaka eo amin'ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny mety ho fankatoavan'ny CAF na tsia ity kianja ity...
  • Ho tontosaina anio talata any RYAD Arabie-Saoudite ny fihaonana eo amin'ny lehiben'ny diplômasia Amerikanina Marco Rubio sy Rosianina Sergei Lavrof, handinihina ny raharaha any Ukraine...
  • Anio talata no daty farany tokony hialan'ny tafika Israelianina any amin'ny faritra atsimon'i Liban...

18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.

Ho an'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely : " ho ahy ho izy ny vavaka dia fisitahan'ny FO, fijery tsotra atodika any an-danitra, hiaram-pahalalana sy hiakam-pitiavana eo anivon'ny hafaliana". Ny vavaka dia manokana ary miainga avy ao anaty, avy ao am-po asandratra amin'Andriamanitra. Azo lazaina hoe valim-pitia atolotra amin'Izy Tompo ny vavaka ary fanandratana ny fanahy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...