• Hikatona rahampitso 15 febroary ny fisoratana anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy izay tafiditra ao anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... • Efa nahitana fidinany eo amin'ny 200 Ariary eo ny vidim-bary ankehitriny, raha ny nambaran'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Ravan'ny Bianco ireo tambajotra mpanao hosoka eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola...
Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy. Tontosa ny fihaonan'ny mpikamban'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha misahana izany eo anivon'ny Fiketrahana Masina... • Mbola fitaovan-tserasera manakaiky vahoaka indrindra ny Radio eto Madagasikara. Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Radio... • Nangataka fampiakarana 30% amin'ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ho an'ity taona 2025 ity ny CTM...
14 febroary — I Cyrille dia teraka tao Thessalonique ny taona 827 ary maty ny 14 febroary 869 tao Roma. Méthode rahalahiny kosa dia teraka ny taona 815 tao Thessalonique ihany ary maty ny 06 aprily 885 tao Grande Moravie.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco