12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.
Miseho matetika tamin'ny fiainan'i Jesoa ny vavaka ho an'ireo sakaizany ; tena Mpampianatra sy sakaiza i Jesoa ka vonona miandry am-paharetana ny fibebahan'ny mpianany. Manambara amin'ny fiteny manaitra ny saina ny Taratasy ho an'ny Hebrio ny amin'ny hoe : ahoana ny vavak'i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena ." ... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco