• Tsy ho isan'ireo ben'ny tanàna vaovao handray ny fitantanana ny kaominina i Djavojozara Jean Luc Desiré na dia nandresy tamin'ny fifidianana aza ; efa voatendry sy vita ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS vaovao ao Antsiranana-I...
  • Mbola tsy tena zatra loatr an'ilay fiovaovan'ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Ny voalohan'ny volana hatramin'ny fahadimin'ny volana no hisian'ny fanitsiana arakaraky ny zava-misy hoyny Ministry ny Angovo...
  • Misy hatrany ireo tambajotra manohy ny fitrandrahana ireo harem-pirenena arovana ho lany tamingana eto MAdagasikara...
  • Nanapa-kevitra ny hisitaka eo anivon'ny OMS ihany koa ny Filoha Argentin, Javier Milei...

06 febroary — Raha ny tena marina dia ireo martiry tao Japon no tsaroana amin'ity andro ity fa anisan'ny anarana misongadina indrindra amin'izany i Paul Miki. Pretra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa izy, nohenjehina ary novonoina teo amin'ny hazofijaliana. Ny 06 febroary 1597 izy no maty tany Japon.

Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Tokony efa hiomana ny vahoaka Malagasy, fa isaky ny voalohan'ny volana hatramin'ny fahadimin'ny volana itsahina no hanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo... • Jahiby 15 gony nentin'ny fiarakodia iray no saron'ny Zandary nanao sakana omaly, tany Vinaninkarena Atsirabe... • Mpikambana miisa 32 mianadahy tao amin'ny VOI, Vondron'olona Ifotony MANOVOSOA, tany Antanditra Moramanga, no notorina tsy ara-drariny any amin'ny Fitsarana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...