Ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia aretina hita eo amin'ny taovam-pananahana, na lahy na vavy, mety ho fivontosana na tsiranoka misy fofona na tsy madio. Mila fiomanana ny fanaovana firaisana ara-nofo ary tokony olona fantatra indrindra ny fahasalamany no iarahana. Ny tsingerin'ny fandimbolana dia misy mba hitondran'ny vehivavy vohoka. Ny tsingerina dia miatomboka amin'ny fisian'ny ra mivoaka amin'ny fivaviana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nampahafantarin'ny CENI androany ny vokatra vonjy maika tsy mbola ofisialy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey lasa teo. Nahatratra 48% mahery ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy... ♦ Mbola mila manao ezaka isika eto Madagasikara amin'ny fampiasana zezika amin'ny voly vary. Nanazava ny paik'ady sy ny asa atao amin'ny fanatanterahana ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanjakana na ny PGE ho an'ny ministera iadidiany androany ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Mampiantrano famelabelaran-kevitra iraisam-pirenena momba ny fandaharan'asa Varuna ny eto Antananarivo. Fihaonana atao eny amin'ny Ambodivona mandritra ny roa andro hifarana anio...
Ny vavaka dia avy amin'ny fo, fototra sy itoeran'ny maha-izy azy ny olona, hoy ny Papa. Ny maha izy azy ny tena manontolo no miatrika an'Andriamanitra rehefa mivavaka ny olona iray. Ny mivavaka dia mampitodika ny fo amin'Andriamanitra, rehefa mivavaka ny olona dia mifandray mivantana amin'Andriamanitra izy. Manana ny anjara toerany ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra, ny fo no mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
12 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco