♦ Hampitsahatra ny asam-pitsaràna eny amin'ny Tribonaly anio ny Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo ny fampiatoana mpitsara miisa 4 amin'ny asany tamin'ny fomba tsy ara-dalàna... ♦ Nanao fanambaràna omaly ny Ministeran'ny Fitsaràna momba ny anton'izao fampiatoana amin'ny asany ireo mpitsara miisa 4 ireo izao. Mandeha ny asam-pitsaràna hoy ny fanazavàna... ♦ Miverina mihamafy indray ny fahatapahan-jiro lavareny eto Antananarivo. Toerana vitsivitsy tao an-drenivohitra indray, tamin'ny alina no nahitàna fihetsiketsehana nanoherana izany... ♦ Hifidy izay ho filohany ny vahoaka amerikana anio talata...

♦ Tsy hiasa rahampitso, noho ny fampiatoana araka asa sy ny fanapahana ny karaman'ireo Solompampanoa miisa efatra, ny sendika SMM... ♦ Adikan'ny Federasiôna Nasiônalin'ny Fampianarana tsy miankina eto Madagasikara ho fanapotehana ny fanabeazana ny handefasana amin'ny ampaham-bolan'ny fampianarana ho an'ny Jirama... ♦ Roa no namoy ny ainy ary dimy hafa naratra, vokatry ny varatra nilatsaka tao Antanisarotra Betafo...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ny 31 ôktôbra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo Atsinanana... ♦ Notontosaina ny 3 nôvambra 2024 ny Eokaristia Masina fanokafana ny taom-piofanana 2024-2025, ho an'ny Grand Séminaire de Théologie, Masindahy Jean Marie Vianney, Mangarivotra Moramanga... ♦ Loharano sy fototra ny fo, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny 3 nôvambra 2024...

♦ Hotanterahana ny alahady 5 janoary 2025 ny fametrahana ny Eveka Vaovaon'ny Diôsezin'i Farafangana, Mgr Marcelin Randriamamonjy eo amin'ny Katedra araka ny fomban'ny Fiangonana... ♦ Voatery niverin-dalana teny ampanidinana omaly ny sidina mampitohy an'i Paris sy Antananarivo an'ny kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Air France noho ny fahitàn'ny mpanamory toe-javatra mampiahiahy teny ampanidinana tao amin'ny fari-dranomasina Méditerrané... ♦ Tandondomin-doza noho ny fanapotehana ny tontolo iainana ny velontenan'ireo mpanjono amin'ny farihy misy eto Madagasikara. Mihena isan-taona ny velaran'ny faritra azon'izy ireo anjonoana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...