♦ Tontosa ny alahadin'ny Pantekôty lasa teo, ny faha-50 taonan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana any Rôma, ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny Ankizy... ♦ Nankatoavin'ny Papa François omaly ireo Décrets hirosoana amin'ny fanandratana ho olomasina an'i Carlo Acutis sy i Mompera Joseph Alamano, ary ny Vondrona Fransiskanina iray, martiry tany Damas tamin'ny taona 1860...
Nisitraka fiofanana momba ny fitantanana ny rano ireo tanora anatin'ny fikambanana FISOI sy SOAMITSINJO mivondrona ao amin'ny Réseau SOA. Fiaraha-miasa eo amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR no ahafahana mamolavola ireto tanora ireto...
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 10-16)
Ry kristianina havana,
raha ny amin’ny famonjena ny fanahy
dia zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany
izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.
Nohadihadìn’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny,
ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy
sy ny voninahitra hanaraka izany.
Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy
dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo;
ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny,
tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra,
no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irìn’ny Anjely hojerena.
Koa amin’izany,
sikino ny andilam-panahinareo, ka mahonòna tena,
ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy
no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Aoka ho zanaka manaiky ianareo,
ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony,
toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa,
amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe:
Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3d-4
Ihirao antsavao ny Tompo,
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany!
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika.
He! zahao e, ry vazan-zany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo
ka mientàna amin-karavoana!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
Tamin’izany andro izany,
i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.”
Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý,
dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.
Fa maro amin’izay farany no ho voalohany,
ary amin’izay voalohany no ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohany nosoratan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 3-9)
Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho an’ny famonjena,
izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa dia mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja izany,
amin’ny andro isehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo
na dia mbola tsy mibanjina Azy aza izao;
izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 5-6. 9-10d
Deraiko amin’ny foko tontolo ny Tompo,
anatrehan’ireo olo-marina,
ao anivon’ny Fiangonam-beny.
Lehibe manko ny asan’ny Tompo.
Mitsimbina, eny, miantra ny Tompo,
ka omeny sakafo ny olona,
dia ireo olona mino ny Tompo
nananganany ilay fanekena.
Nasehony koa ny herin’ny Tompo,
anatrehan’ireo izay voafidy.
Ka ny lova omeny azy ireo
dia ny lovan’ireo firenena.
Nandray famonjena ny olom-boafidy,
fanekem-baovao no iorenany
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny, masina manko ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.”
Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:
“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”
Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”
Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:
“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza àry no mety ho voavonjy?”
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:
“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco