Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.
Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...
♦ Hanome famatsiam-bola mitentina 200 tapitrisa Yuans hanohanana tetik'asa samihafa eto Madagasikara i Chine, raha ny nambaran'ny filoha Sinoa Xi Xiping tamin'ny fihaonana tamin'ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina omaly... ♦ Mifanandrify amin'ny politika ankapoben'ny fanjakàna ny fifaninana famoronana tetik'asa nokarakarain'ny Ravinala Airports, ka nanome tantsoroka tamin'izany ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy... ♦ Hiara-hiasa amin'ny C.P.L.A rafitra Camp des Programmmes de Leadership Africain ny Fikambanana Tsaravoatra, amin'ny fanofanana mahakasika ny tetik'asa eny anivon'ny fiaraha-monina...
♦ Mitsidika eto Madagasikara hatramin'ny 9 septambra izao i Mopera Alfred Mara Villa, mpanolontsaina Jeneraly momba ny Misiona ao amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotra serasera facebook ny zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo omaly... ♦ Tsy manaja ny zon'ny Mpiasa ireo orinasa tantanan'ny vahiny sasany eto Madagasikara, raha ny fitarainana voarain'ny Sendika FISEMARE... ♦ Niala tany Jenine any amin'ny Faritr'i Cisjordanie ny tafika Israeliana, rehefa nanao hetsika ara-tafika goavana nandritra ny 10 andro tany an-toerana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco