28 aprily 2024 — Alahady fahadimy Fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Tsy aretina ny "fanina" fa fambaran'aretina, izany hoe fambara fa misy tsy araka ny tokony ho izy ny fahasalamana ao aminao. Ny olona fanina dia mahatsiaro tena. ; mety tranga mandalo, mety maharitra, mety miverimberina. Ny fanina dia misy tranga hafa miaraka aminy toy ny : maneno ny sofina, marary ny andoha, mitebiteby, maloiloy, mandoa, tsemboka. Ny "systeme vestibulaire" izay ao anatin'ny sofina no mandrindra ny horira antsika, raha misy mahakasika io dia izay no miteraka ilay fanina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nitokona nanomboka omaly ary mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo mpianatra nahavita fiofanana tao amin'ny IFIRP... ♦ Misy misandoka ho mpikirakira ny fitaovam-pitarafana na ny radiographie any amin'ny toeram-pitsaboana sasany... ♦ Kely ny erijika hahazon'ny fitondrana ny famatsiam-bola FEC avy amin'ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena, raha ny nambaran'ny mpanao politika Beanjara Paul... ♦ Nilaza ny Hamas androany sabotsy fa handinika ny tolo-kevitr'i Israely mba hanafahana ireo takalon'aina sy hampitsaharana ny fanafihana ataon'Israely any Gaza... ♦ Drone Ukraniana miisa 66 no potiky ny tafika Rosiana alina hifoha androany maraina tany amin'ny faritra atsimon'i Rosia tany Kras Nodar...

♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1.000.000 isa no kendrena ho vita vaksiny fanefitr'ireo aretina samihafa hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka omaly ny fanokafana ny herinandro Afrikana ho an'ny fanoavam-baksiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola FEC... ♦ Misy amin'ireo kandidà solombavambahoaka no efa mampanantena poakaty amin'ny vahoaka, milaza fa hanao foto-drafitr'asa goavana rehefa lany, nefa tsy andraikitr'izy ireo izany... ♦ olona 51 no namoy ny ainy tany Gaza tao anatin'ny 24 ora farany, vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...