27 aprily — Teraka tao Bozzanello akaikin'ny tananan'i Lucques ao Toscane tamin'ny taona 1212 i Zita. Nobeazain-dreniny, izay vehivavy feno hatsaram-panahy sy manetry tena izy. Mbola zaza i Zita dia efa nalefaka, malemy paika sy manetry tena ihany koa, ary notezaina hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra.

Ny finoana no fototra ary ny fanomezam-pahasoavana dia azo lazaina ho vokany na fomba fisehony ihany koa. Tsy mahasolo ny finoana ny fanomezam-pahasoavana fa manambara azy sady miasa ho an'io finoana io. Ny fiainam-pinoana voalanjalanja tsara iainan'ny Eglizy dia manampy hahafantatra ny tena fanomezam-pahasoavana marina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Alahady faharoa - Taona D fankalazana ny Paka : Tompoko sy Andriamanitro! ; nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!". Miresaka ny fahefana hamela heloka ny tenin'Andriamanitra ifampizarana amin'izao alahadin'ny famindram-po izao. Andriamanitra dia mpamindra fo sy mihantra, tsy manadino ny fifanekena efa nisy, ary mandrakizay ny famindram-pony. Tsy mifidy olona hosoavina Andriamanitra. Toetran'Andriamanitra manokana ny famindram-po, ny famindram-po dia tsy manambara fahalemena fa tena fanehoana ny herin'Andriamanitra...

♦ Halevina anio ny nofo mangatsiakan'ny Papa François. Hisy ny Lamesa fanaovam-beloma azy farany eo amin'ny kianjan'ny Md Piera, hatrehan'ny olona an'aliny avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao... ♦ Tsy misy azo antenaina ny hamerenan'i Frantsa amin'i Madagasikara ireo NOSY MANODIDINA. Fanjanahan-tany amin'ny endriny vaovao indray aza no ataony, hoy ny solombavambahoaka an'i Faratsiho, momba ny fitsidihan'ny filoha Frantsay... ♦ Sendikalista 2 no nampidirina am-ponja vonjimaika, 2 voaroaka ao amin'ny orinasa SMMC any Toamasina. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny MInistera voakasik'izany ny Sendikà FISEMARE...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...