Ilain'ny tanora ny mianatra sy mifehy ny fiteny anglisy, indrindra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tanora vitsivitsy no mijoro vavolombelona manondidina ny tontolon'ny fianarana teny anglisy. Tanora tovovay iray, Ramatoa kely Harifetra, mpampianatra ity taranja ity no mifampizara amintsika ny hasarobin'izany fahaizana teny anglisy izany sy ny toro-paika mba hitiavana sy hahaizana azy haingana.

“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.

Ho aminareo anie ny fiadanana!

  • Tsy natao hampizarazara na hifandrafiana ny tsy fitovian-kevitra, fa dingana iray hahafahana mampandroso, hoy ny FFKM...
  • Iray amin'ireo aretina mahazo ny voafonja ao Antanimora ny aretin-koditra lagaly, amin'izao andro mafana izao...
  • Nihena any amin'ny 50% ny vokatra letchis, ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo tamin'ity taona ity...

  • Miantso ireo mpanararaotra ny fahasahiranam-bahoaka sy ny mpikarakara ny fifidianana isan'ambaratonga ny FFKM, mba hanaja ny safidin'ny vahoaka, ary tsy ho menatra hampihatra ny lalàna amin'ireo minia mandika izany...
  • Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea A intsony, i Maître Rorot, tao aorian'ny fidiram-baolina nandritra ny fe-potoana fanampiny, omaly...
  • Efa misy ny dingana atao handrindrana sy hifehezana ny vidin'ny vary, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, David Ralambofiringa...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...