♦ Mifanome tanana amin'ny fanamboaran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran'ny Asa vaventy. Nanome toromarika ny Filoham-pirenena, hoy ny Minisitra... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ny atrikasa fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny tsara ho fantatra momba izany. Hetsika karakarain'ny fikambanambe iraisam-pirenena RRI sy SIF... ♦ Hitohy amin'ny 1 hatramin'ny 3 nôvambra 2024, ny Festival Pirates any Sainte Marie. Ny hanetsehana ny fizahan-tany sy ho fampahafantarana ny tantaran'ny Nosy Boraha no tanjona...

♦ Naneho hevitra momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna, ny Filoham-pirenena omaly hariva. Tsy tokony ho toerana hananganana ady intsony Antananarivo, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tafapetraka ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana Andrimatoa Adgard Razafindravahy. Handray ny fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakan'ny COI isika amin'ny fiandohan'ny taona 2025... ♦ Ho tratra ny vinavina fampidiram-bola amin'ny fandintseranana ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny faran'ity taona ity...

♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ireo OVEC manerana ny nosy omaly. Voatana avokoa ireo kandidà fito, ho an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Voafonja enina no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo tany amin'ny fonjan'i Mananjary, tato anatin'ny iray volana sy tapany... ♦ Niato ny fampandehanana ny pipeline an'ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny alakamisy teo. Nisy ny tsy fahatomombanana tampoka tamin'izany fantsona izany, hoy ny tompon'andraikitra...

♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra notakiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina hotanterahana ny 11 desambra 2024, ireo OVEC manerana ny nosy androany... ♦ Voafonja miisa enina ao amin'ny fonjaben'i Mananjary no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, tao anatin'ny iray volana sy tapany. Misy koa ireo voafonja mbola manaraka fitsaboana... ♦ Natomboka androany ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ireo mpifaninana hiditra ho mpianatra zandary andiany faha-79. Heverina ho vita ao anatin'ny folo andro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana maherin'ny 30.000...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...