♦ Azo tanterahana amin'ny 11 desambra 2024 ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina hoy ny filan-kevi-panjakàna. Tsy tokony hihoatra ny 31 desambra kosa ny fanatanterahana izany araka ny didy navoakany... ♦ Maro ny asa hotanterahana amin'ny fampiharana ilay fehezan-dalàna vaovao momba ny harena ankibon'ny tany. Isan'izany ny fijerena ireo orinasa mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany... ♦ Hanampy ireo mponina ao amin'ny ilany atsimon'ny Faritra atsimo-andrefana i TIRIKE. Fampisehoana roa no hotanterahany eto an-drenivohitra amin'ity herinandro ity hanangonana vola hanaovana foto-drafitr'asa ho azy ireo...
Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nankalaza ny andro Afrikana ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara omaly, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajàna ny zon'ny vehivavy no nentina nanamarihana izany teny amin'ny NovoTel Alarobia... ♦ Manokana andro roa ifampiresahan'ireo mpisehatra samihafa momba ny harena ankibon'ny tany tompon'andraikitra ny fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD. Atrik'asa tanterahana eny amin'ny Hotel Carlton Anosy nanomboka omaly... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM komity iraisan'ny mpiasa Malagasy ny Randrana sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa Malagasy...
♦ Nankalaza ny andro Afrikanina ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara androany, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajana ny zon'ny vehivavy, no nentina nanamarika izany tao amin'ny Novotel Alrobia... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM, Komity Iraisan'ny Mpiasa Malagasy, ny Randrana Sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa malagasy... ♦ Tranga vaovao mbola tsy fahita tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo, ny famonoana zaza varira, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco