Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 6, 1-8)
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo,
nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina,
ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.
Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany manana elatra enina avy:
ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.
Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe:
“Masina, masina ny Tompon’ny tafika!
feno ny voninahiny ny tany rehetra.”
Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy
ary tonga feno setroka ny trano.
Ka hoy aho tamin’izay:
“Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra;
ary ny firenena itoerako maloto molotra;
nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, ny Tompon’ny tafika!”
Kanjo, nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo Serafima,
nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.
Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy:
“Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao;
ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.”
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe:
“Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any?”
Ka hoy aho:
“Inty aho, iraho aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5
Andriana manjaka Ianao, ry Tompo;
mitafy ny hery tsy hay tohaina.
Ny zava-drehetra harin-tananao,
tomombana fatratra tsy mivena.
Mirafitra mafy ny rovanao.
Fa manda miorina tsy mikoro.
Hatrany amboalohany, teo ianao;
ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
Ireo Teny rehetra voalazanao.
E! lalina, marina, tsy mivaona.
Ny fahamasinana feno haja
manerana izany fonenanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora... ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...
♦ Nampahafantarina sy niadian-kevitra androany, teny amin'ny Carlton Anosy, ny tetikasa PEI, teti-pivoarana hamatsiana angovo eto Madagasikara... ♦ Tombanana hahatratra 3 hetsy sy 2 tapitrisa Dolara Kanadianina ireo vokatra avy eto Madagasikara izay kasaina hahondrana any Canada... ♦ Niisa 26 ireo tranga fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary avy eto Madagasikara, tato anatin'ny enim-bolana, raha ny tatitry ny AVG...
Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 14, 2-10)
Hoy ny Tompo:
Miverena amin’ny Tompo, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’ny Tompo;
lazao aminy hoe:
Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.
Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe:
“Ry Andriamanitray ô”
amin’ny asan’ny tananay.
Ianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana!
Hositraniko ny fiodinany;
ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Ho toy ny ando aho amin’i Israely;
ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,
hampahavokatra ny vary indray;
haniry toy ny voaloboka izy;
ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Efraima... Inona no mbola hataony any amin’ny sampy?
Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;
tahaka ny sipresa maitso Aho;
Izaho no iavian’ny voanao.
Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,
izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.
Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo;
ka ny marina no hizotra eo,
fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 50, 3-4. 8-9. 12-13. 14 sy 17
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Izay marina anaty no marina,
ka toroanao mangina aho, ry Tompoko.
Ary fafazo ra aho ho sitrana:
hihoatra ny oram-panala ny dioko.
Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera tokoa izany vavako.
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mbà tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny,
na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo
mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco