Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...
♦ Hanome famatsiam-bola mitentina 200 tapitrisa Yuans hanohanana tetik'asa samihafa eto Madagasikara i Chine, raha ny nambaran'ny filoha Sinoa Xi Xiping tamin'ny fihaonana tamin'ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina omaly... ♦ Mifanandrify amin'ny politika ankapoben'ny fanjakàna ny fifaninana famoronana tetik'asa nokarakarain'ny Ravinala Airports, ka nanome tantsoroka tamin'izany ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy... ♦ Hiara-hiasa amin'ny C.P.L.A rafitra Camp des Programmmes de Leadership Africain ny Fikambanana Tsaravoatra, amin'ny fanofanana mahakasika ny tetik'asa eny anivon'ny fiaraha-monina...
♦ Mitsidika eto Madagasikara hatramin'ny 9 septambra izao i Mopera Alfred Mara Villa, mpanolontsaina Jeneraly momba ny Misiona ao amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotra serasera facebook ny zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo omaly... ♦ Tsy manaja ny zon'ny Mpiasa ireo orinasa tantanan'ny vahiny sasany eto Madagasikara, raha ny fitarainana voarain'ny Sendika FISEMARE... ♦ Niala tany Jenine any amin'ny Faritr'i Cisjordanie ny tafika Israeliana, rehefa nanao hetsika ara-tafika goavana nandritra ny 10 andro tany an-toerana...
♦ Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara nanomboka ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024 i Mompera Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotran-tserasera Facebook, ny Zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo androany... ♦ Miady amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ny Minisitera misahana ny asa. Najoro ny ivon-toerana Manjary Soa, mandray ireo ankizy tsy mianatra intsony ka niroso tamin'ny asa avy hatrany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco