♦ Mankalaza miaraka ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana sy ny andro eran-tany ho an'ny ady atao amin'ny fihangazàn'ny tany sy ny hain-tany isika eto Madagasikara manomboka androany. Ao Toliara, Faritra Atsimo-andrefana no hanaovana ny hetsika momba izany... ♦ Distrika maro any amin'ny tapany atsimon'ny nosy no lasibatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao. Nisy ny fivoriana vonjy maika niarahan'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknina sy ara-bola manoloana ny ady atao... ♦ Hanome lanja ny vokatra vita malagasy amin'ity volana jona ity ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Hetsika marolafy no entin'izy ireo manatanteraka izany...
Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy antenaina hitondra fiovana amin'ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza ny fisian'ny kandidà tsy miankina maro, lany ho solombavambahoaka hoy ny filoha nasionalin'ny HIFFIM. Miray hevitra amin'ny fitondrana ihany ny ankamaroan'izy ireo hoy Andriamatoa Alain Andriamiseza... ♦ Niverina an-tanindrazana omaly tetsy amin'ny seranam-piaramanidina ety Ivato ny delegasiôna mandrafitra ny Barean'i Madagasikara. Izy ireo izay avy niatrika ny lalao fifanitsanana ahafahana mandray anjara amin'ny mondial 2026, tatsy Johanesbourg Afrika-Atsimo... ♦ Mizotra am-pilaminana ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Baccalauréat, eny amin'ny foibem-panadinana ANS Ampefiloha...
♦ Noravan'ny vatan-dehilahy am-polony nirahan'ilay olona milaza ho tompon'ny tany, ny fefy fanitso nataon'ireo olona tompon-tany ety Ivato. Tany mirefy 1 hekitara sy sasany io ifanolanana io... ♦ Tsy tokony ho sodokan'ny fahazoana ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny mpitondra, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny Vovonana HIFFIM, Alain Andriamiseza... ♦ Azo hitarafana ny fahazoan'ny antokon'ny fitondrana ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny vokatra navoakan'ny CENI omaly, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco