Ny zava-mahadomelina dia mampitombo ny herisetra sy ny fanolanana, satria tsy mandeha araka ny fahamarinana fa ny sitrapony ihany, tsy mahaleo na mahafehy ny tena ireo mpandray zava-mahadomelina. Rehefa domelina ny sainy dia lasa maherisetra ilay olona, lasa rava ilay hatsarana sy ny halemam-panahy nananany teo aloha ary tsy manana faharetana insony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

9 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

♦ Nitombo 950 miliara Ariary ny vola nofotsiana teto Madagasikara tamin'iny taona lasa iny, mitaha ny tamin'ny taona 2022, raha ny tatiry ny SAMIFIN androany... ♦ Nisy mpanjono teratany Malagasy 150, tratran'ny fanjakana Seychellois, rehefa nanjono tany amin'ny fari-dranomasiny. Hampodiana sy hanaovana fanadihadiana eto Madagasikara izy ireo, hoy ny Minisitry ny Jono, androany... ♦ Mbola tsy misy choléra eto Madagasikara. Efa noraisina ny fisorohana rehetra, toy ny famafazana ranom-panafody ireo sambo sy fiaramanidina miditra eto amintsika, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra...

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 12-18)

Andriamanitra tsy maka fanahy olona.

Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra;
fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana,
izay nampanantenain’Andriamanitra homena izay tia Azy.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe:

“Andriamanitra no maka fanahy ahy.”

Fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filan-dratsy,
izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota,
ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Aza diso hevitra, ry kristianina havana:
ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 93, 12-13a. 14-25. 18-19

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiahy amin’ny andro fahoriana,
raha hihadiana longoa ny olon-dratsy.

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny Vahoakany,
na handao ny Lovany:
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Vao lasa ny teniko hoe: “Mibolisatra ny tongotro!”
ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy nananty!
Raha maro loatra ny ahiahy ato anatiko,
ny fampiononanao no mampifaly ny fanahiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

Mitandrema ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.

Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:

“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.”

Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Noho isika tsy manana mofo izay.”

Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:

“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo?
Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”

Dia hoy ireo taminy hoe:

“Roa ambin’ny folo.”

Dia hoy i Jesoa:

“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”

Hoy ireo hoe:

“Fito.”

Dia hoy Izy taminy:

“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...