Olana mbola misy eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny andro sôsialy dia hetsika fanao isan-taona izay karakarain'ny APSE "Apostolat Social et Écologique", avy amin'ny fikambanan'i Jesoa ; amin'ity taona 2024 ity dia amin'ny 16-17-18 mey no hanatontosana izany, hetsika hiresahana ny tsy-fanjarian-tsakafo. Ny fanjarian-tsakafo : fahafahana misitraka sakafo, fahefa-mividy, fahafahana mampiasa sy mihinana sakafo. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo... ♦ Marihana sy ankalazaina anio 3 mey, ny Andro Eran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety... ♦ Olon-tsotra iray, naratra teny Ankatso; mpianatra iray no naratra ary mpianatra iray hafa torana, teny Vontovorona, vokatry ny fandravan'ny mpitandro ny filaminana ny fitakian'ireo mpianatra...

Zava-Masina sy ambony ny mariazy. Ny mariazy dia sakramenta raisina vokatry ny safidy, izay ilàna fiomanana amin'io iraka io, dia ny ho vavolombelon'ny fitiavana sy hanohy ny asa-pahariana. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno amin'ny maha ray sy reny, taratry ny fahaleovan-tena ihany koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

3 mey 2024 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...