Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 4, 8-12)
Tamin’izany andro izany,
dia feno ny Fanahy Masina i Piera ka nilaza hoe:
“Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely,
raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy
sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio,
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra,
fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta,
Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana,
fa natsangan’Andriamanitra ho velona,
no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano,
kanjo tonga vato fehizoro kosa;
ary tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona
hahazoantsika famonjena”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 117, 1 sy 8-9. 21-23. 26 sy 28 ary 29
Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo
toy izay amin’ny olombelona;
aleo matoky ny Tompo
toy izay matoky ny mpifehy.
Misaotra Anao namaly ahy:
Tenanao no tonga namonjy!
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!
Izahay eto an-tranon’ny Tompo
no mitso-drano anareo.
Ianao no Andriamanitro ka isaorako,
no Andriamanitro ka asandratro.
Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny fitiavany!
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 1-2)
Ry hava-malala,
endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika,
amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra,
sady tena zanany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany,
dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:
“Izaho no mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho,
ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Kandidà iray tamin'ireo 17 namoahan'ny HCC didy hatramin'ny omaly no nahazo fankatoavana firotsahan-ko fidiana. Manomboka mamoaka didy momba ireo fitoriana voarainy ny HCC... ♦ Misy fitantanam-bola tsy mazava eo anivon'ny SMGD hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo. Miantso fivoriana tsy ara-potoana ihaonan'ny PDS sy ireo mpanolontsain'ny tanàna izy ireo... ♦ Ôfisialy fa tsy afaka handray ny lalaon'ny Barea amin'ny volana jona ny kianja Mahamasina. Tsy maintsy ivelan'i Madagasikara no hanaovana ny lalao fifanintsanana Mondial 2026... ♦ Nivory tany Paris omaly ny fianakaviambe iraisam-pirenena, nikatsahana vahaolana entina hanampiana an'i Soudan...
♦ Manomboka mamoaka didy momba ireo fitoriana voarainy, momba ny firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka, ny HCC... ♦ Miantso fivoriana tsy ara-potoana eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, ny sendikàn'ny mpiasa. Nambaran'izy ireo androany fa misy fitantanam-bola tsy mazava eo anivon'ny SMGD... ♦ Olona enina no efa namoy ny ainy tato anatin'ny iray volana, vokatry ny fakana an-keriny any amin'ny Distrikan'Anjozorobe. Mbola misy ny takalon'aina tsy mbola votsotra hatramin'izao, hoy ny zanak'ity Distrika ity...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco