♦ Nanolotra ny mpiray lisitra aminy amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Antananarivo-Atsimondrano ny faran'ny herinandro teo ny solombavambahoaka amperin'asa Alain Ratsimbazafy. Izy izay mirotsaka amin'ny anaran'ny mahaleo tena... ♦ Tsy afaka handray ny lalao baolina kitra andro fahatelo sy fahaefatra amin'ny fifanitsanana Mondial 2026 amin'ny volana Jona izao ny kianjan'i Barea Mahamasina, raha toa ka tsy vita mialohan'ny volana jona ireo fepetra notakian'ny konfederasiôna Afrikan'ny Baolina Kitra na ny CAF... ♦ Mitombo ny isan'ny sampam-piofanana ao amin'ny Oniversiten'i Moramanga telo taona aty aorian'ny fiaraha-miasa teo amin'ny orinasa Fanalamanga sy ny Oniversiten'i Toamasina...
♦ Nohamasinina sy napetraka ho Evekan'i Diôsezin'i Morombe, omaly, araka ny fomban'ny Eglizy, Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Nitso-drano ireo zanany hirotsaka ho kandidà solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao, ny fiangonana katôlika any Ambositra... ♦ Hiainga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanovana hoy ny kôlektifa an'ny Malagasy... ♦ Miantso ny ampitsaharana ny fampiasan-kery any amin'ny Faritr'i Proche-Orient ny Papa François taorian'ny fanafihan'Iran ny Israel, ny sabotsy alina teo ; nanameloka ny fanafihana ny firenena tandrefana, mampitony ny andaniny sy ny ankilany ny tany Arabo...
Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
♦ Novonoin'ireo mpaka an-keriny omaly hariva ireo takalon'aina roa vavy tany amin'ny kaominina Androvakely distrikan'Anjazorobe... ♦ Infirmiers sandoka miisa 45 no traha-tehaky ny holafitry ny infirmiers tao anatin'ny 4 volana niasany... ♦ Manahy ny hisian'ny didy jadona eto amin'ny firenena ny antoko PRM... ♦ Naneho ny alahelony noho ny fisian'ny ady eo amin'i Israely sy ny Hamas ny Papa François, tamin'ny hafatra nataony omaly zoma tamin'ny famaranana ny Ramadany... ♦ Nanomboka androany sabotsy ny dinika eo amin'ny samy Maliana izay nampanantenain'ny fitondrana tetezamita any an-toerana. Nilaza ny antoko pôlitika sy ny fiaraha-monim-pirenena Maliana fa tsy handray anjara amin'ity dinika ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco