♦ Notanterahana ny 2 sy ny 3 aprily 2024, teny amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny asa famondronana ny hevitra avy amin'ny Diôsezy, famaliana ireo fanontaniana nivoitra tamin'ny Sinaodin'ny Eveka, andiany voalohany, natao tany Rôma ny volana ôktôbra 2023... ♦ Manatanteraka ny “Chapitre Provincial”, andiany faha-11, ety amin'ny Miason Don Bosco Ivato, nanomboka ny alarobia 3 aprily 2024, ny fikambanan-drelijiozy Salezianin'i Don Bosco...
♦ Mampitandrina izay ho kandidà hirotsaka amin'ny anaran'ny antokon'ny fitondrana any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny fikambanana FATARA, fa tsy hahazo ny vaton'izy ireo intsony, teo anatrehan'ny nanasorana an-dRamatoa Christine Razanamahasoa tsy ho Solombavam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo kôperativa sasany mampitohy ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena faha-6, no nanapa-kevitra tsy hiasa hatramin'ny fotoana nahatapaka ny làlana... ♦ Nanainga androany hiazo ny faritra avaratry ny nosy ireo fanampiana ho an'ireo tra-boina sy nitondra takaitra tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane...
♦ Niakatra 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra, antony mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafo, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Olona roa no fantatra fa voasambotry ny mpitandro ny filaminana, nandritra ny hetsika nataon'ny mponina teny amin'ny Kaominina Alasora omaly, noho ny olan'ny tsy fisian'ny rano... ♦ Miandry fatratra ny famoahan'ny Minisitera mpiahy, ny daty hanatanterahana ny fifaninana handraisana mpirakidraharaham-pitsarana, ny sendikà SGM...
♦ Nangataka ny hanoloana an-dRamatoa Isabelle Delattre, Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana miasa eto Madagasikara, ny fanjakana Malagasy, araka ny navoakan'ny gazety iray atsy Afrika... ♦ Miahiahy amin'ny ain-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny fikambanana BAM. Tsy fantatra mazava ny toerana misy ity Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity, tao aorian'ny didin'ny HCC, hoy izy ireo androany... ♦ Niakatra ho 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra. Io no mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafobe, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco