♦ Ho fiomanana amin'ny Kôngresy Nasiônalin'ny MCCP amin'ny taona 2025, dia nanatanteraka Kôngresim-paritra ny MCCP Arsidiôsezy Avaratra... ♦ Nifanindran-dalana tamin'ny Fitsidihana Pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana tao amin'ny Eglizy Iraka Immaculée Conception Andapa, ny fankalazana ny faha-200 taonan'ny masera Filles de la Charité du Sacré-Cœur de Jésus... ♦ Tafajoro ny 8 desambra tao amin'ny Paroasy Katedraly Masindahy Josefa Ambanja, ny Vondrom-bakaka Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana Immaculée Conception...
♦ Andrasana ny fijoroan'ny Governemanta, taorian'ny fihanianan'ny filoha ny Sabotsy teo. Tokony ireo ministra tsy manadino vahoaka, rehefa mahazo toerana no mandrafitra ny governemanta vaovao hoy ny AMP, fikambanana tanora mpanohana ny fitondràna... ♦ Niaka-bidy ny hen'omby eny amin'ny tsena eto Antananarivo amin'izao ka nahitana fiakarany 2000Ariary isaky ny kilao. Mampitandrina ireo manararaotra amin'izao fety izao ny eo anivon'ny Ministeran'ny fiompiana... ♦ Manantena ny hanamboarana ny lalana mampitohy an'i Tsiroanomandidy - Maintirano ny fikamban'ny ben'ny tanàna any amin'ny Faritr'i Melaky amin'izao fe-potoam-pitondrana faharoa izao. Telo andro ankehitriny no hanaovana izany lalana izany...
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 3, 1-10. 19-20)
Tamin’izany andro izany:
nanao ny fanompoana tamin’ny Tompo teo anatrehan’i Helî i Samoela kely.
Nahalana ny tenin’ny Tompo tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.
Tamin’izany andro izany nony nandry i Helî teo amin’ny fitoerany,
ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy;
ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty,
ary i Samoela nandry tao an-tempolin’ny Tompo
izay nisy ny fiaran’Andriamanitra,
dia nantsoin’ny Tompo i Samoela ka namaly hoe:
“Intý aho!”
sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý aho fa niantso ahy ianao.”
Ary hoy i Helî:
“Tsy niantso anao aho, fa miverena mandry.”
Dia lasa izy nandry.
Nantsoin’ny Tompo indray i Samoela ka niarina i Samoela
dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý, aho fa niantso ahy ianao.”
Namaly i Helî:
“Tsy niantso aho anaka, fa miverena mandry.”
Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela,
satria tsy mbola nanehoana ny tenin’ny Tompo izy.
Ary nantsoin’ny Tompo fanintelony indray i Samoela
ka niarina, dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý aho, fa niantso ahy ianao.”
Fantatr’i Helî tamin’izay fa ny Tompo no niantso ny zaza,
ka hoy i Helî tamin’i Samoela:
“Mandehana mandry,
fa raha misy miantso anao, dia valio hoe:
Mitenena, ry Tompo ô,
fa mihaino ny mpanomponao.”
Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.
Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo
ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
Fantatr’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea
fa tena mpaminanin’ny Tompo marina tokoa i Samoela.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 39, 2 sy 5. 7-8a. 8b-9. 10
Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho.
Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny,
tsy miherika amin’ny rendrareridra sy ankosotra!
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana,
ka hoy aho hoe: Intý aho, tamy!
Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy,
ny manao ny sitrakao ry Andriamanitro, no mamiko.
Eny, ato anatin’ny foko ny lalànao.
Torìko ao am-Piangonam-be
ny Fahamarinana.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:
“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.”
Fa izao no navaliny:
“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa;
fa izany no nivoahako.”
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’ny Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 1, 9-20)
Tamin’izany andro izany,
nony avy nihinana dia nitsangana i Annà.
I Helî mpisorona izany,
nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray,
teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsatokazon’ny tempolin’ny Tompo.
Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Annà tamin’ny Tompo,
ary nipotrapotraka ny ranomasony;
ary nivoady izy nanao hoe:
“Tompon’ny tafika ô,
raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao ianao,
raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao,
ka manome zazalahy ny ankizivavinao dia homeko ho an’ny Tompo izy,
amin’ny andro iainany rehetra,
ary tsy hokasihin-kareza ny lohany.”
Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan’ny Tompo
ka nodinihin’i Helî ny vavany.
Fa niteny anakampo i Annà,
ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika,
fa ny feony tsy re akory.
Noheverin’i Helî fa mamo izy.
Dia hoy izy taminy:
“Mandra-pahoviana ianao no ho mamo?
Mampisavà ny hamamoana avy amin’ny divainao.”
Fa hoy i Annà:
“Tsia, tompoko,
fa vehivavy ory ao am-po aho,
tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho;
fa mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny Tompo.
Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon’i Beliala
fa ny hamafin’ny alahelo amam-pahoriako
no nitenenako mandraka ankehitriny.”
Dia niteny indray i Helî ka hoy izy:
“Mandehana amim-piadanana,
ary hohenoin’Andriamanitr’i Israely anie
ny vavaka nataonao taminy.”
Ka hoy izy:
“Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.”
Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy,
dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.
Ary nifoha maraina koa izy ireo,
ka nony avy niankohoka teo anatrehan’ny Tompo, dia nody izy,
ka niverina tany an-tranony any Ramà.
Ary i Elkanà nahalala an’i Annà vadiny,
ary ny Tompo nahatsiaro azy.
Ary nony nitsingerina ny andro,
dia efa nanana anaka i Annà ka dia tera-dahy izy,
ary nataony hoe Samoela ny anarany,
fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
1 Sam. 2, 4-5. 6-7. 8abde
Endrey ny hafaliako manana ny Tompo.
Ny lohako mitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana amin-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa;
ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo,
mampidina sy mampakatra ny maty.
Mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra.
Ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
Indray sabata,
raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa
sy ireo nanara-dia Azy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga,
ary nampianatra azy ireo Izy.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny sinagôgany,
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:
“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”
Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:
“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io.”
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe:
“Inona itý?
Fampianarana vaovao inona re itý?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.”
Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco