♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona ity ireo parlemanta mpanao lalàna manomboka anio. Hifanindry amin'ny fampielzan-kevitra izany ho an'ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitondra fanazavàna omaly ireo Sefo Fokontany 14 noesorina teny amin'ny boriborin-tany faha-IV ao an-drenivohitra. Misy kandidà solombavambahoaka hoy izy ireo no ao ambadik'izao, ka nahatonga azy ireo nitory teny amin'ny fitsaràna... ♦ Nanaiky handray vatsim-pianarana indray ireo mpianatra nitokona eny amin'ny Université Antananarivo. Niova hevitra indray fa tsy nitàna ny teny nomeny amin'ny fitakiana izay efa natombony ireo mpianatry ny faculté de sciences ...

♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-95 taonany, i Mompera Giovanni Follese... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ireo teritery sy ny tsy fanarahan-dalàna ny vovonana Firaisankina... ♦ Niova hevitra ka nanaiky ny handray ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana avy amin'ny Minisitra Mpiahy azy ireo androany, ny mpianatra teny Ankatso...

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

♦ Manodidina ny 80% izao ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara raha ny fanadihadiana nataon'ny Baky Iraisam-pirenena ny volana avrily 2024, teo... ♦ Nizara ny traik'efany tamin'ny fampijoroana sy ny asa sahanin'ny filan-kevitra ara-toe-karena sy sôsialy ary ny tontolo iainana tany Maroc ny tompon'andraikitra misahana izany rafitra izany... ♦ Mihamitombo hatrany ireo Malagasy manana olana amin'ny resaka tosi-drà sy ireo tratry ny homamiadana isan-karazany hoy ny tale jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Nisaotra sy nankasitraka ny fikambanana METER izay miady amin'ny fitsiriritana zaza na ny "pédophilie" sy ny fampiasàna ankizy amin'ny horonan-tsary mamoafady i Papa François tamin'ny vavaka Regina Tcheli omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...