♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...
♦ Nitsidika tamin'ny fomba fanajàna ny solotenan'ny Papa François eto Madagasikara Nonce Apostolique Mgr Tomaz Gryz ny fikamban'ny silamo eto Madagasikara... ♦ Mpanao gazety iray no niharan'ny herisetra sy ny ramatahora teo am-panatanterahana ny asany, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Hanatanteraka adihevitra mivantana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakàna; anio hariva, ireo kandidà miisa 3, efa niroso tao anati'ny fampielezan-kevitra... ♦ Miisa 200.000 ny isan'ireo olona afaka nandositra nihazo ny faritra atsimon'i Gaza, tao anatin'ny 3 andro noho ny famelan'ny tafika israeliana azy ireo, hiala anatin'ny ora voafetra...
♦ Hihahenjana ny fitandroana ny filaminana ao anatin'izao herinandro voatondro hanatanterahana ny fifidianana izao hoy ny prefet an'Antananarivo. Miaramila 4 sy sivily miisa 2, ary olona 11 no voasambotra nandritra ny hetsika fotsy ny sabotsy teo... ♦ Manomboka mandray sy mihaino ny mpisehatra pôlitika ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin'ny SADEC izay efa manao ny asany eto Madagasikara... ♦ Efa niala teto Madagasikara omaly nihazo an'i Ghana ny delegasiôn'ny Barean'i Madagasikara hiatrika ny lalao fifanitsanana ho an'ny Mondial 2026... ♦ Manameloka ny fampiasan'i Hamas ny hôpitaly ho fitaovana amin'ny ady ifanandrinany amin'ny Israely ny vondrona erôpeana...
Tamin'ny andron'i Kristy : Lk 20, 25 : aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra, tsy raisina ho fanehoana fifanoheran'ny mpitondra Fanjakàna sy ny mpitondra ny Eglizy fa famporisihan'i Jesoa ny mpanara-dia Azy hanaraka ny satan-tany. Tsy misaraka velively ny fiainana ny finoana sy ny fandraisana anjara amin'ny asa sôsialy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco