Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 12-17)
Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny Salamo aman-kira fiderana,
mbamin’ny tononkira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6
Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!
Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin-jejy sy sodina!
Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo
ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao,
aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao,
dia aza mitaky izany aminy intsony.Izay tianareo hataon’ny olona aminareo,
no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo,
fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany,
mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo,
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra,
sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 1-11)
Ry kristianina havana,
raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony,
amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo,
ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika,
vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo,
dia ny an’ny etý an-tany, izany hoe:
ny fijangajangana,
ny fahalotoana,
ny fahavetavetana,
ny fanirian-dratsy,
ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra
amin’ny zanaky ny tsy finoana;
niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha
fony ianareo nanaraka izany fiainana izany.
Fa ankehitriny kosa,
ario koa izao zavatra izao:
dia fahatezerana,
fahavinirana,
fahasomparana,
fitenenan-dratsy,
teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
aza mifandainga ianareo,
fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin’ny asany,
ary efa notafianareo ny olom-baovao,
izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary
araka ny endrik’ilay Nahary azy,
ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody,
voafora na tsy voafora,
baribarianina na Sita,
andevo na olona afaka,
fa izao ihany:
i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 2-3. 10-11. 12-13ab
Misaotra Anao, isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra,
tsy azo takarina ny halehibeny.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Ho fantatry ny olombelona anie ny Asanao mahery,
sy ny voninahitra ary ny harevaky ny Fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao,
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:
“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona,
horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena,
fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 2, 6-15)
Ry kristianina havana,
araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo,
no aoka handehananareo ao aminy koa,
ka hamaka tsara sy hiorina ao aminy ary hohamafisin’ny finoana
sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany,
amin’izany hoe fahaizan-dalina,
izay famitahana foana avy amin’ny hevitr’olombelona
sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao,
fa tsy araka an’i Kristy.
Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany;
ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra,
fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fifehezana sy fahefana;
tao aminy no namoràna anareo tamin’ny famoràna tsy nataon-tanana,
izay manala ny tena nofo, dia tamin’ny famoràn’i Kristy;
fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny Batemy,
ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa,
noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona.
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo,
dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray,
nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.
Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika,
sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany,
tamin’ny nanomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana,
sady nasehony miharihary ho fizahan’ny olona
ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 1-2. 8-9. 10-11
Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka,
sy misaotra ny Anaranao, ry Ilay mandrakizay.
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo,
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera,
sy i Andre rahalahiny,
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Jodà rahalahin’i Jakôba,
sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka,
izay tonga teo mba hihaino Azy,
sy mba hositraniny amin’ny aretiny:
dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto,
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra,
satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 24 — 2, 1-3)
Ry kristianina havana,
ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho,
fa mameno ao amin’ny nofoko
izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Eglizy;
fa voatendry ho mpandraharaha azy aho
noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo,
mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,
dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby,
fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny jentily
ny voninahitr’izany hevi-miafina izany,
dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Izy no torìnay,
ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa
araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy,
araka ny heriny izay iasany fatratra ato amiko.
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo
sy ho an’ny any Laôdisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo,
sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana,
ary hananany fieken-tsaina mazava tsara,
ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,
izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 61, 6-7. 9
Eny manko! ao amin’Andriamanitra mianina, ry fanahiko:
fa Izy no tokiko!
Eny manko! Izy no Vatolampiko sy Famonjena ahy,
Fiarovana-avo ho ahy: tsy hihontsona aho!
Matokia Azy lalandava,
ry vahoaka!
Mamosaha fo
anoloan’Andriamanitra tokintsika!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)
Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:
“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”
Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”
Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:
“Ahinjiro ny tananao.”
Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco