7 desambra 2023 — Alakamisy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)
♦ Hanatanteraka fifidianana izay ho Filoha Lefitry ny Faritanin'Antananarivo, ny Antenimieram-pirenena rahampitso. Hihaona amin'ny Governemanta kosa izy ireo ny zoma izao... ♦ Mila averina amin'ny olona tena Malagasy ny fitantanana ny tany sy ny firenena, ka hiverina ny tany tan-dalàna, hoy ny Fikambanan'ny Tanora ara-drazana. Hiatrika fihaonambe eto Antananarivo, izy ireo, ny 13 sy 14 desambra 2023... ♦ Mahazo vahana tato ho ato ny fakana an-keriny olona hatao takalon'aina, ka angatahana volabe an-tapitrisany, any amin'ny Distrikan'Ankazobe...
♦ Filan-kevitra Ambony ny Mpitsara na ny CSM : Niisa 500 ireo mpitsara vokasiky ny famindran-toerana ny taona 2021-2023... ♦ Fikambanan'ny Ray aman-dRenin'ny Foko Malagasy : Mila faranana tanteraka ny tolona nataon'ireo Malagasy tamin'ny taona 1947, ary mila hapetraka ny tondrozotra vaovao hitantanana ny firenena... ♦ Isan'ny nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny hetsika tagnamaro teny amin'ny Akany Fitahiantsoa teny Ankorondrano ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera... ♦ Mivahiny any Emirats arabes unis sy any Arabie Saoudite ny filoha rosiana Vladmir Poutine...
Mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary dia ilaina ny fanaovana jeri-todiky ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Ny tontolo iainana no miantoka ny fiainantsika olombelona. Ny tontolo iainana dia harena voajanahary : tany, rano, vato, olombelona, zava-maniry, biby an-tanety sy anaty rano... I Madagasikara dia manana harena voajanahary betsaka ara-tontolo iainana. Fototry ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana sy fandalinana natao, mba afahana mamaritra izay tokony hatao dia io ilay atao hoe politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco