Boky Eksaody (Eks. 14, 5-18)
Tamin’izany andro izany,
dia nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka.
Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka fa hoy izy ireo:
“Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha,
ka namoy ny fanompoany antsika?”
Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.
Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta,
samy nisy mpifehy avy.
Nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,
ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna,
ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy
teo akaikin’ny ranomasina izay nitobiany;
nahatratra azy teo akaikin’i Fihahirôta,
tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna
sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.
Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony,
dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsianina,
ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely sy velon-taraina tamin’ny Tompo.
Ary nanao tamin’i Môizy hoe:
“Tsy misy fasana va tany Ejipta,
no dia nentinao ho faty atý an’efitra izahay?
Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta?
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe:
Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsianina
fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy toy izay ho faty any an’efitra.”
Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka:
“Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjen’ny Tompo anareo anio;
fa ireo Ejipsianina hitanareo anio ireo, tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Ny Tompo no hiady ho anareo,
fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.”
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina
dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra,
mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Izaho no Tompo,
rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo : Eks 15, 1-2. 3-4. 5-6
Hihira ho an’ny Tompo aho
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly
sy ny mpitaingina azy.
Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko,
sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Mpiady mahery ny Tompo.
Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina;
ny kapiteny voafantina natelin’ny ranomasina Mena.
Natelin’ny rano ireny;
nilentika any amin’ny farany ambany izy ireo.
Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana,
Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)
Tamin’izany andro izany,
ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe:
“Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.”
Fa namaly Izy ka nanao hoe:
“Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity
fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy;
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina
tany an-kibon’ny hazandrano lehibe
no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina
ao anatin’ny tany koa.
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy,
satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny;
nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto.
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana
hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy;
fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 12, 13. 16-19)
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany,
izay mitandrina ny zavatra rehetra,
mba hahenoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.
Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana:
ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra,
no itondrànao azy rehetra amim-pamindram-po.
Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao;
ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.
Fehezin’ny sitra-ponao ny herinao,
ka mitsara amin-kamoram-po Ianao,
ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe;
satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.
Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao,
fa tokony ho antra olona ny marina;
sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao,
fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 85, 5-6. 9-10. 15-16a
Tsara sy mpamela heloka Ianao, ry Tompo,
ho fitiavana an’izay miantso Anao!
Mampandria sofina amin’ny fivàvako,
ho tandrinao ny feoko mitaraina.
Ny firenena rehetra dia voaarinao:
hiankohoka eo anoloanao izy, ry Tompo.
Eny, hanome voninahitra Anao,
fa lehibe sy mahefa zava-mahagaga Ianao;
Ianao manko no Andriamanitra,
Ianao irery dia Ianao irery!
Ianao, ry Tompo Andriamanitra,
mpamindra fo sy mpiantra,
tsy mba malady vinitra Ianao,
be fitiavana sy fahamarinana.
Mba todiho maso aho,
ka iantrao, ry Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-27)
Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety angatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irìn’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy,
fa rehefa nitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarìna intelon’ny famarana
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra”.
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany manao hoe:
“Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.
Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy”.
Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe:
“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly;
ny taom-pijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo,
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Boky Eksaody (Eks. 12, 37-42)
Tamin’izany andro izany,
niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta;
sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.
Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy,
mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta;
fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta
ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.
Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;
ary rahefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra,
dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafiky ny Tompo rehetra.
Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta,
ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo,
ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nahatsiaro antsika nijaly,
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony,
sy nisarika antsika tamin’ny mpampahory!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an’i Ejipta: dia ny Lahimatoany!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy namoaka an’i Israely teo aminy;
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
tamin’ny tana-mahery sy sandry mihinjitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nampandalo an’i Israely teo anivony;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nanipy an’i Faraôna sy ny tafiny tao!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina
ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy,
ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko,
ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy,
na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco