Boky Eksaody (Eks. 16, 1-5. 9-15)
Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely
dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia
tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa,
taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.
Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra
ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:
“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay
mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona,
ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia.
Amin’ny andro fahenina,
homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna:
“Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe:
Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo,
fa efa reny ny fimonomononanareo.”
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna,
no nitodika ny efitra ireo,
ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia hivoky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra
zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:
“Inona itony?” satria tsy fantany.
Hoy i Môizy tamin’izy ireo:
“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28
Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo,
ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany.
Andriamanitra va re, hoy izy,
hahavonom-panasana atý an’efitra?
Izy nandidy ny rahona eny ambony;
ny varavaran’ny lanitra nadanadanany;
narotsany taminy ny mana ho sakafony:
varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofo Mahery no nohanin’olombelona,
vatsy mahahetsaka no nalefany taminy.
Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana;
nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.
Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy,
dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina.
Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny,
ary koa teny manodidina ny lainy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:
“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo,
ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo,
ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mampahomby ny iraka ny fiombonana sy ny fandraisana anjara, hoy ny Evekan'ny diosezin’i Tsiroanomandidy, Mgr Gabriel Randrianantenaina... ♦ Hampiavaka ny Fihanonam-be Nasiônalin’ny Ankizy Katôlika eto Madagasikara ny “Village Laudato Si’” ho tanterahana ny 29 jolay 2023... ♦ Amboaran’ny firahalahiana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora, hoy ny Papa François...
♦ Hotanterahina ny 27 aogositra 2023 ny andron'ny Diosezin'Antananarivo... ♦ Katesista miisa 315 no tonga niofana teny amin'ny foibe FTMTK Ambohipo nanomboka ny 10 jolay 2023, ho fanamafisana ny fahaiza-manao... ♦ Raha mamono ny konsiansa isika dia mamono ny Fanahin'Andriamanitra, hoy i Mgr Francis Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja...
Boky Eksaody (Eks. 14, 21 — 15, 1)
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina,
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:
“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”
Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro,
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.
Nony nikatona ny rano,
dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano eo akavanany sy eo ankaviany.
Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina.
Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.
Hoy izy:
“Hihira ho an’ny Tompo aho,
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Eks. 15, 8-9. 10 sy 12. 17
Noho ny fofon’ain’ny vavoronao,
niangona niavosa ny rano,
niantsavovona ny onjan-drano,
raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra,
dia hizara babo aho.
Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko.
Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.
Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao, dia safotry ny rano izy,
ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
Naninjitra ny tananao havanana ianao,
dia nitelina an’ireny ny tany.
Hitondra sy hamponina azy Ianao
eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao,
dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô!
Eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko,
ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)
lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano,
mitady Anao.”
Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:
“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”
Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:
“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco