Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-39)
Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona,
sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va, sa fahaterena,
sa fanenjehana, sa fahanoanana,
sa fitanjahana, sa loza,
sa sabatra?
Araka ny voasoratra hoe:
Ianao no amonoana anay isan’andro:
mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho
fa na fahafatesana, na fiainana,
na Anjely na ireo fifehezana,
na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,
na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31
Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao!
Manafaha araka ny hasoan’ny hatsaram-ponao:
fa mahantra sy mijaly aho,
ory fo ato anatiko.
Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Vonjeo araka ny hatsaram-ponao!
Aoka ho fantany fa ny tananao izao;
fa Ianao, ry Tompo, no nanao an’izao.
Fa izaho hisaotra ny Tompo eran’ny fo, eran’ny vava;
sy hidera Azy eo afovoan’olo-maro:
noho Izy mijoro ankavanan’ny mahantra,
mba hamonjy azy amin’izay manameloka!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:
“Mandehana miala eo Ianao,
fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”
Dia hoy Izy tamin’ireo:
“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako
anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany,
fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo
ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nolavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana fanindroany, ny fitoriana faharoa nataon'ny kandidà ho Filoham-pirenena Andry Raobelina sy ny antoko ARB, managataka ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ny 16 nôvambra 2023... ♦ Hitohy anio ny hetsika ataon'ny vondron'ireo kandidà, eny Anosy izy ireo no mifanome fotoana anio. Ho an'ny kandidà laharana faha-3, mitohy ny fampielezan-kevitra, mifanome fotoana amin'ny vahoakan'i Itaosy sy Tanjombato ny kandidà Andry Rajoelina...
Zary lasa mivadika ho toby be fanariam-pako hatrany hatrany ilay tanintsika, tranobe iombonana, hoy ny Papa. An-jatony tapitrisa taonina ny fako ariana isan-taona, ny ankamaroan'izy ireny anefa tsy mety levona : fako avy amin'ny isan-tokantrano, avy amin'ny asam-barotra, avy amin'ny fandravana trano, avy amin'ny hopitaly, fako elektronika, fako avy amin'ny indostria, fako misy poizina mahery vaika... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco