♦ Nolanian'ireo Loholona IRD, ho Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nilaza ho tsy miamboho adidy izy, raha omena ny fahefana hitantana vonjy maika ny firenena, saingy tsy hiady ny hahazoana izany... ♦ Voasoroko ny fifandonana teo amin'ireo samy mpomba ny kandidà andaniny sy ankilany, teny Ampasapito androany. Afaka nanao ny diabe am-pilaminana nihazo an'i Manjakaray sy Ambodivona, ireo kandidà 11 sy ireo mpomba azy...
♦ Nanao antso avo ny vahoaka Malagasy handala mandrakariva ny fiombonana sy hiaro ny aina ny Vaomieran’ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana… ♦ Hanatanteraka zaikabe ny FTK Arsidiosezy Atsimo Atsinanana ny 27 ka hatramin’ny 29 ôktôbra 2023… ♦ Natokana hivavahana sy hifadian-kanina ho an’ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ho an’ny Tany Masina ny 17 ôktôbra 2023…
Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo. Afaka mamokatra vary manitra hatrany amin'ny 200 taonina ny kaoperativa KOVAMADI-II amin'ity taom-pamokarana ity hoy ny filohany Andriamatoa Tombozara Patrice.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 1-8)
Ry kristianina havana,
inona àry no holazaintsika ny amin’i Abrahama razantsika,
fa azony araka ny nofo?
Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama,
dia manana hireharehana ihany izy;
nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina?
Izao: nino an’Andriamanitra i Abrahama,
ka izany no notanana ho fahamarinany.
Satria amin’izay miasa,
dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama,
fa hoe trosa;
ary amin’izay tsy miasa,
fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy,
no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany,
araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona
itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:
Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany;
sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 31, 1-2. 5. 11
Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bava!
Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!
Mifalia ao amin’ny Tompo!
miravoa, ry olo-marina!
Mihobia avokoa,
ry mahitsy fo!
Aleloia. Aleioia.
Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)
Tamin’izany andro izany,
tafangona an’arivony maro ny olona
ka efa nila hifanosy mihitsy,
dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Tandremo aloha indrindra
sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo,
izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina
dia ho re ao amin’ny mazava,
ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano,
dia hotorìna eny an-tafon-trano.
Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako:
Aza matahotra izay mahafaty ny nofo,
nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony;
fa hany tokony hatahoranareo dia izao:
matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe
rahefa novonoiny ianareo;
eny, hoy Aho aminareo, matahora azy.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy?
Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny
na dia iray aza.
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
Koa aza matahotra àry,
fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco