♦ Sampan’asa iray misahana ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny sampan’asa fampielezana ny finoana… ♦ Napetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo masera avy amin’ny fikambanana “Petites Sœurs du Sacré-Cœur de Jésus”, izay hiasa ao amin’ny Distrika Antsapanana… ♦ Mila volena ao anatintsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka an’Andrimanitra, hoy ny antson’ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angélus…
♦ Nanomboka ny hetsika diabe am-pilaminana teny Itaosy indray androany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana fanairana mitaky ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM... ♦ Mbola tsy nisy hatramin'izao ny fanambarana amin'ny tsy handraisan'ny vondron'ny kandidà amin'ny fifidianana afaka iray volana, hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Manao ranolava ny fanambarana fanamelohana avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny tranga tany Israely...
Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 4, 12-21)
Izao no lazain’ny Tompo:
Aoka hitsangana ny firenena ary aoka hiakatra izy
ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!
Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary ;
avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika;
satria be ny haratsian’izy ireo.
Vahoaka be, vahoaka be, ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Fa efa antomotra ny andron’ny Tompo
ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Ny masoandro amam-bolana, mihamaizina,
afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.
Hierona avy ao Siôna ny Tompo,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa ny Tompo no ho fialofana ho an’ny vahoakany,
ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.
Dia ho fantatrareo fa Tompo Andriamanitrareo Aho,
izay monina ao Siôna tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina i Jerosalema,
ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.
Amin’izany andro izany,
dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà,
hitsororohan’ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ny Tompo,
ka handena ny lohasahan’i Akasià.
I Ejipta kosa hanjary tany lao,
i Edôma ho efitra faharavana,
noho ny fahasiahana namelezany ny taranak’i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.
Ary i Jodà, honenana mandrakizay,
ary i Jerosalema koa, mandritra ny taona mifandimby.
Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siôna Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12
Aoka hifaly izany tany, fa manjaka izao ny Tompo;
koa samia manao korana ianareo nosy maro;
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka, e!
ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazàno hita mason’ny vahoaka.
Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo!
Eny, masina ny Anarany, tongava ianao hisaotra.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)
Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao,
sy ny nono izay ninonoanao!” —“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 1, 13-15 ; 2, 1-2)
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’Andriamanitrareo.
Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’ny Tompo Andriamanitrareo,
ka mitaraina amin’ny Tompo hoe:
“Indrisy itý andro itý!”
fa efa antomotra ny andron’ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!
Tsofy ao Siôna ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trômpetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,
fa tonga ny andron’ny Tompo, fa efa antomotra!
Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no iavian’itý firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9, 2-3. 6 sy 16. 8-9
Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra!
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina.
He! jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao;
mijoro ny Fiketraham-pitsarany:
mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy,
sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
Tamin’izany andro izany,
rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:
“I Belzeboba lehiben’ny demony
no androahany ny demony.”
Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:
“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba
no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra
no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra
eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’
Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy,
dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany
dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco