07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.

06 jolay — Marietta no fiantsoana an’i Marie Goretti. Teraka tamin’ny 16 oktobra 1890 izy tao Corinaldo Italie, faritra be tendrombohitra any Ancône. Fambolena no asa fiveloman’ireo fianakaviany, izay tia vavaka tokoa. Rehefa tsy ampy niveloman’izy mianakavy ny tany kely novoleny tao dia nifindra nankany Le Ferriere di Conca ao amin’ny Diosezy Albano izy ireo.

05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi  izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.

♦ Hotontosaina amin'ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny Aumônerie Catholique des Prisons. Lohahevitra hobanjinina amin'izany ny hoe "ACP, akaiky an'ireo voafonja mandrakariva"... ♦ "Tsy maintsy homanina ny ho avy", hoy ny pretra nitarika ny Eokaristia Masina, nanatanterahana ny Fihaonamben'ny Ankizy, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Olon-dehibe miisa 45 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tao amin'ny Paroasy Saint Eugène de Mazenod, omaly alahady...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...