Boky Eksaody (Eks. 16, 1-5. 9-15)
Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely
dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia
tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa,
taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.
Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra
ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:
“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay
mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona,
ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia.
Amin’ny andro fahenina,
homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna:
“Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe:
Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo,
fa efa reny ny fimonomononanareo.”
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna,
no nitodika ny efitra ireo,
ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia hivoky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra
zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:
“Inona itony?” satria tsy fantany.
Hoy i Môizy tamin’izy ireo:
“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28
Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo,
ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany.
Andriamanitra va re, hoy izy,
hahavonom-panasana atý an’efitra?
Izy nandidy ny rahona eny ambony;
ny varavaran’ny lanitra nadanadanany;
narotsany taminy ny mana ho sakafony:
varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofo Mahery no nohanin’olombelona,
vatsy mahahetsaka no nalefany taminy.
Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana;
nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.
Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy,
dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina.
Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny,
ary koa teny manodidina ny lainy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:
“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo,
ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo,
ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦Nanatanteraka Dinika, anatin'ny fitsirihana na ny AUDIT mikasika ny lisitry ny mpifidy sy ny tontolon'ny fifidianana mihitsy, izay karakarain'ny CENI, omaly, ny teo anivon'ny OIF, natrehin'ireo mpisehatra ara-politika sy ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Miantso fitoniana ny mpiara-dia amin'ny fitondrana. Tokony ho hiomana hiatrika ny fifidianana ny mpanao politika hoy ny sekretera jeneralin'ny fikambanana IFI... ♦ Tanàna 120 isa, tsy mbola nisy herin'aratra mihitsy, no ahazo izany, vokatry ny tetik'asa Welight, izay hovatsian'ny Banky Eraopeana ho an'ny fampiasam-bola, vola 10 tapitrisa Euro. Vita omaly ny sonia fifanarahana momba izany, teo amin'ny BEI sy ny ministeran'ny angovo sy ny ankoran'afo...
Ho an'ny olona mino, ny "fahaiza-manao" dia fanomezana avy amin'Andriamanitra. Ho an'ny tsy mpino dia talenta izy io, fa ho an'ny mpino dia fanomezan'ny Fanahy Masina. Natao ho an'iza ny fanompoana? Avy amin'ny hoe "liturgie" : fideran'ny vahoaka an'Andriamanitra noho ny famonjena izany hoe fanompoana an'Andriamanitra ; ho an'ny tsy mpino dia fanompoana ny mpanjaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
19 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco