03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo.
02 ôktôbra — Ankalazain'ny Fiangonana amin'ity daty ity ny fetin'ny Anjely Mpiambina satria mino isika fa izy ireo dia nomen'Andriamanitra iraka sy fahefana ho antsika olombelona. Tsy misalsala ny amin'izany isika satria hitantsika ao amin'ny tenin'Andriamanitra izany. Eo ihany koa ny fampianaran'ireo Mpampianatry ny Fiangonana sy ireo olomasina ary ny fahefan'ny Fiangonana.
01 ôktôbra — I Thérèse de l'Enfant Jésus, na i Thérèse de Lisieux na i Thérèse Kely, dia teraka ny 02 janoary 1873, ary roa andro tao aorian'io, izany hoe ny 04 janoary izy no natao Batemy tao amin'ny fiangonana Notre-Damle d'Alençon. I Louis Martin no rainy, mpanamboatra famantarandro izy io, ary Zélie-Marie Guérin no reniny, mpanao dentelles no asany.
♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara, i Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ny Diakra Raherisoa Athanase... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao Anosimisaona, i Mgr Rosario Vella...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco