♦ Nankalaza ny nampiakarana an'i Masina Maria tany an-danitra tamin'ny Eokaristia Masina omaly ny Eglizy katôlika Romana maneran-tany... ♦ Isan'ny sehatra hiaraha-miasa eo amin'i Inde sy Madagasikara ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara, araka ny nambaran'ny masoivohony eto Madagasikara, omaly, raha nanamarika ny faha-77 taona nahazoany ny fahaleovan-tena niaraka tamin'ireo solon-tena avy amin'ny fitondrana Malagasy, teny Ivandry, ireo tera-tany Indiana omaly...  ♦ Ho tonga eto Antananarivo amin'ny 23 aogositra ny afo tsy matin'ny lalaon'ny nosy, mialoha izany, i Toliary no handray azy amin'ny zoma izao... 

Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

16 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Ny vehivavy jody dia tsy nanana asa, ivelan'ny tokantrano, izany hoe mikarakara tokantrano sy ny ankohonany. Manana anjara asa lehibe ny vehivavy, indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ; niara niasa tamin'i Masina Maria ho fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny Andriamanitra Ray. Tsy azo afangaro ny adidin'ny lehilahy sy ny vehivavy.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...