Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 19, 15-29)

Nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy ny afo.

Tamin’izany andro izany nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe:

“Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto,
fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.”

Mbola nitaredretra anefa izy,
dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy,
fa tian’ny Tompo ny hiaro azy,
dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely:

“Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao,
ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.”

Hoy i Lôta tamin’izy ireo:

“Tsia, Tompoko,
efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao,
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao,
tamin’ny namelomanao ny aiko;
nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho,
fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana ka ho faty.
Jereo fa misy tanàna akaiky ialofako itsy, sady tanàna kely foana,
ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io,
dia ho velona aho.”

Dia hoy izy taminy:

“Eny àry,
ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna io.
Fa mandehàna faingana àry handositra ao
fa tsy afa-manao na inona inona aho,
raha tsy efa tonga ao ianao.”

Izany no anaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.
Tamin’izay dia nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy afo
avy any amin’ny Tompo any an-danitra,
ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra,
sy ny mponina rehetra teo amin’ny tany.
Niherika ny vadin’i Lôta ka zary andry, sira.

Nifoha marainakoa i Abrahama
dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’ny Tompo.
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy,
ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka,
ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana Izy,
nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 25, 2-3. 9-10. 11-12

Ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no anoloan’ny masoko.

Diniho aho, ry Tompo, tsikilovy;
sedrao ny saiko sy ny foko!
Ny hatsaram-ponao no anoloan’ny masoko;
ny fahamarinanao no izorako.

Aza aharo amin’ny mpanota ny fanahiko,
na amin’ny olon-tia ra ny aiko.
Ny tanany ilany mivimbina sampy;
ny ilany feno kolikoly.

Fa izaho madio fiaina.
Koa avoty, ry Tompo, iantrao!
Fa miara-mamindra amin’ny olo-marina aho,
ary misaotra ny Tompo ao am-piangonana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)

Niarina Izy nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:

“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”

Dia niarina Izy,
nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:

“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 18, 16-33)

Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa ve ny marina?

Nitsangana handeha ireo lehilahy namangy an’i Abrahama tao Mambre,
dia nitodika nankany Sôdôma;
i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

Ary hoy ny Tompo:

“Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko?
I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery,
sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana
mba hanaraka ny lalàn’ny Tompo amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny;
ka hanatanterahan’ny Tompo amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy.”

Dia hoy ny Tompo:

“Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra,
ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany
araka ny fitarainana tonga hatratý amiko,
ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.”

Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma;
fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo ihany.
Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe:

“Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina?
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoina koa va ireny?
Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo,
raha misy izany tokoa ao?
Sanatria Anao izay hanao izany,
ka hamono ny marina miaraka amin’ny olo-meloka.
Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka!
Sanatria Anao izany.
Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?”

Hoy ny Tompo:

“Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanànan’i Sôdôma Aho,
dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.”

Fa hoy indray i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.
Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina;
ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy?”

Hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho,
raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.”

Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama ka nanao hoe:

“Angamba ho efapolo ny olo-marina ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho,
noho ny fitiavako azy efapolo ireo.”

Ary hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo,
raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.”

Hoy i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho,
angamba roapolo izy no ho hita ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.”

Hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo,
fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho:
Angamba folo izy no hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.”

Lasa nandeha ny Tompo nony tapi-niteny tamin’i Abrahama,
ary i Abrahama kosa dia nody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 10-11

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava ny ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Tsy araka ny otantsika no ataony antsika:
na araka ny helotsika no avaliny antsika!
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Manaraha Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:

“Tompoko,
avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;

fa hoy i Jesoa taminy:

“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Amin’ny kolontsaina Malagasy, ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona no mpitahiry ny fahendrena sy ny soatoavina. Mpanabe izy ireo ary andrin’ny fianakaviana. Ny fananana azy ireo eo anivon’ny fianakaviana dia manome lanja ny fianakaviana sy ny ankohonana. Noho ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny fivoaran’ny kolontsaina dia mihamihena ny lanja omen’ny fiarahamonina azy ireo. Manentana antsika araka izany ny Papa Ray Masina Fransoa, amin’ny namoronany ny andro maneran-tany ho an’ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona nanomboka ny taona 2021. Amin’ny taona ity dia ny 23 Jolay 2023 no hanamarinana izany ary anentanana ny kristianina iray manontolo ny fanomezan-danja azy ireo sy io andro maneran-tany io.

Mivondrona ao amin'i Kristy ny zavatra rehetra. Ny taranaka ankehitriny dia mbola misitraka ny tombontsoa maro avy amin'ny tontolo iainana fa raha tsy manitsy ny fiainantsika dieny izao isika dia hampandova fahantrana sy tontolo iainana efa rotidrotika ho an'ny taranaka ho avy. Aoka tsy ho tia tena fa mba hifampitsinjo ary hanao ho zava-dehibe ny "soa iombonana". I Kristy no ivondronan'ny zava-boahary sy ny olombelona. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...