Boky Deteronômy (Det. 34, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
niakatra avy eo an-tany lemak’i Môaba i Môizy,
nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.
Ary nasehon’ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra,
dia Galaada hatrany Dana, Neftali rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase,
ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny Ranomasina andrefana,
ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao,
dia ny tanànan’ny rofia hatrany Segôra.
Dia hoy ny Tompo taminy:
“Io ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe:
‘Homeko ny taranakao izany.’
Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao.”
Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’ny Tompo,
dia teo amin’ny tany Môaba, araka ny didin’ny Tompo.
Ary naleviny teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Môaba,
tandrifin’i Bet-Fôgôra izy.
Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty,
nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.
Nisaona an’i Môizy, telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Môaba ny zanak’i Israely
ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.
Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena,
fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy,
ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony
sahala amin’i Môizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika,
na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’ny Tompo azy tany Ejipta,
hanaovany izany tamin’ny Faraôna,
sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra,
na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra
izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 65, 1-3a. 5 sy 8. 16-17
Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.
Tongava hizaha ny Asan’Andriamanitra!
Mahatahotra itý nataony ho an’ny zanak’olombelona!
Misaora an’Andriamanitra rey vahoaka!
Redòny ny feo fiderana Azy!
Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra!
Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko:
dia Izy Ilay fiantsan’ny vavako
sy fideran’ny lelako!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hanamafy ny paikady hanamafisana ny fiarovana ny ain'ny mpanao gazety ny OJM. Hisy noho izany ny fihaonan'ny Olafitra amin'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Nandray ny toerany ny tale jeneraly vaovao eo anivon'ny CNaPs Rahaingonjatovo Vimbina. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny tale jeneraly mpisolo toerana... ♦ Nanamafy Maître Rôrô fa hanao ny ezaka mba handrombahan'i Madagasikara ny medaly volamena mandritra ny lalaon'ny nosy. Efa 30 taona mantsy no tsy nisitrahana izany... ♦ Isan'ny handray anjara amin'ny fihaonana an-tampony handinihan'ny CEDEAO ny raharaha ao Niger rahampitso ny solontena manokana avy amin'ny vondrona eoropeana...
Ny asa dia voaresaka im-betsaka ao anatin'ny Baiboly indrindra fa ao anatin'ny Evanjely, ohatra amin'izany ny hoe "i Jesoa zanaky ny mpandrafitra" izany hoe nanana ny asany i Joseph. I Jesoa dia mpandrafitra tahaka ny rainy, niara-niasa amin'ny rainy ny zanaky ny Jody. Nanafitohana ny olona sasany ny fahagagana nataon'i Jesoa ary niaran'ny fanambaniana ny asan'ny mpandrafitra tamin'izany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
9 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco