Mandritry ny fidiran'ny mpitarika otronon'ireo pretra miaraka mankalaza sy ny mpanotrona eo amin'ny sorona no hanaovan'ny vahoaka ny tononkira mifanandrify  amin'ny venti-kevitry ny litorjia ankalazaina amin'iny andro iny, izay ilay hira fidirana. Ny tononkira fidirana dia teny avy amin'ny Soratra Masina, fohy mamintina na mampifandray, ny foto-kevitra amin'iny andro fankalazana iny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

• Nanda ny filazana azy ireo ho nametra-pialana ny mpanolotsaina avo ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Vonona hiala amin'ny toerany nefa izy ireo raha izay no ilaina... • Mitaky ny hanaovana ny fikaonan-dohan'ny olom-pirenena eto amintsika. Tokony hiainga any amin'ny Kaominina izany, hoy ny KMF-CNOE... • Ahato aloha ny fandravana trano eny Anosibe Andrefana Voalohany, hoy ny Colonel Randrianirina Michaël, noho ny maha ankatoky ny fety ny nanaovana izany...

♦ Tonga eny Ambohidahy hifampiresaka nanomboka tamin'ny maraina teo ireo mpikambana telo eo anivon'ny HCC, nanambara fa nametra-pialàna. Nilaza izy ireo fa teny amin'ny Facebook no nahita io taratasy milaza ny fametraham-pialàna io... ♦ Natsangana ny filan-kevitry ny olon-kendry sy ny "comité d'expert", ho fiatrehana ny fanavaozana sy ny fikaonandoham-pirenena. Notendrena nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly ireo mpikambana ao anatin'izany... ♦ Natao ho andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ny zoma 2 janoary 2026 izao. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mampanan-kery izany manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara...

Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; lahabolana azo heverina fa mbola ampiasain'ny Foko Sakalava. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina. Ny lahabolana "RARY" no nampiasaina sy natao teto an'ivon-tany talohan'ny nidiran'ny ANTSA. Azo sokajiana ho lahabolana masina ny ANTSA, porofon'izany ireo sokajin'olona niangaly azy teo amin'ny fitondrana faha-mpanjaka dia ireo Tsiarondahy sy Tsiarombavy, tsy handairana vorika sy mosavy ; izy rahateo natao hanasinana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...