Ny loha dia ilaina sasàna indray maka isan-kerinandro ka diovina ny hodi-doha sy ny volo ; ilàna fitandremana sy fandanjalanjàna ny fampiasana ireo vokatra fanosotra amin'ny volo mba tsy hiteraka olana. Ny tarehy dia saro-pady ka tokony sasàna maraina sy hariva ; tandremana tsara ireo vokatra misy "diprosone - corticoïde" fa manimba ny hoditra, mety hakasika ny fahasalaman'ny maso raha tsy voafehy ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Tafidina hatrany amin'ny 500 Ariary ny kilaon'ny vary gasy hividianan'ireo mpanangom-bokatra any amin'ny tantsaha mpamboly, ahiana hiteraka fipoahana ara-tsôsialy goavana izany raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra... ♦ Mivangongo amin'ny faritra maro ny fako ao Antananarivo-renivohitra, tsy misy afatsy fiarabe 13 tamin'ireo 28 teo aloha sisa miasa misahana ny fandraofana ny fako hoy ny mpiasa eo anivon'ny SMA... ♦ Nandraisana fepetra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny lalana Tsarasaotra sy Lac Iarivo, natomboka omaly zoma 13 marsa ny hetsika fanentanana natao tamin'ireo mpampiasa lalana toy ny mpandeha an-tongotra, ny mpampily ary ny polisim-pirenena...
♦ Manaiky ny didy navokan'ny filan-kevim-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa... ♦ Tsy anatin'ny fahefan'ny solombavambahoaka amin'izao ny manolotra anaran'izay ho praiministra, mbola ny IRMAR mantsy no manana ny maro an'isa eo anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny filohan'ny antoko FIVOI... ♦ Natomboka omaly zoma 13 marsa ny vava asa, fandrodanana ny kianja masoandro (Colisée) anatin'ny rovan'i Manjakamiadana... ♦ Maratra mafy ny tavan'ilay "guide supreme" vaovao ao Iran Mojtaba Khamenei, raha ny fanambarana nataon'i Pentagon omaly zoma...
♦ Mankatoa ny didy navoakan'ny filan-kevi-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety, teny amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely, androany... ♦ Manao antso avo ho amin'ny tetezamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava tsara ireo firaisamonim-pirenena nanao fanambarana teny Ambatonakanga, androany... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny taom-pianarana vaovao 2025-2026 ho an'ny Oniversite natao tao Itasy, tonga nanome voninahitra izany ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco