♦ Novisy 17 mirahalahy no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux ny 08 septambra 2023... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, ny talata 05 septambra 2023 ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, voatendry ho Evekan'Antsirabe... ♦ Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa momba ny fikarohana ara-pitsaboana tao Vatican, ny tompon'andraikitry ny Hôpitaly Bambino Gésu, ny Hôpitaly Gemelli Isola Toberina, ny Fondation Policlinico Gemelli ary ny Oniversite katôlika Fo Masin'i Jesoa...
Nanao ny fivoriambe ara-potoana toa ny fanaony isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra ny 23 sy ny 24 aogositra 2023. Nisy ny hevi-dehibe nodinihana sy nankatoavina nandritra izany. Tapaka nandritra ity fivoriambe ity fa hiroso amin'ny fangatahana ny fanvaozana ny satan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Association Reconnue d'Utilité Public na ARUP izy ireo. Ny ahafahan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manatanteraka ny iraka nankinina taminy no mahazava-dehibe izay hoy ireo mpivory. Angatahana ihany ny hanamafisana ny fahaleovan-tena ara-bolan'ny rafitra...
♦ Nametraka fitoriana teny amin'ny HCC androany, ny antoko HVM, mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny Filoha amperin'asa... ♦ Namoaka fanambarana miantso amin'ny hiarovana ny fitoniana sy ny fisorohana krizy eto Madagasikara, ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy na ny RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...
Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco