24 jona 2023 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)

♦ Miray hina amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fandaminana ireo hetsika rehetra anatin'ny Fetim-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Zadarimariam-pirenena ary ny Pôlisim-pirenena... ♦ Azo antoka ankehitriny ny fanaraha-maso ny seranam-piaramanidina sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, fa efa manana fitaovana hitiliana izany isika, sy mpiasa voaofana manokana amin'izany... ♦ Nesorina tamin'ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana androany, ireo mpiambina azy eny amin'ny trano fonenany...

♦ Hisantatra ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'ny 27 jona 2023 ny tananan'i Madiokely, vavahadin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Tontosa ny 17 sy 18 jona 2023 tao Ankaditsiary, Distrika Amborompotsy - Ambositra, ny fametrahana an'i P. Cataldo Antonio, sj, tao amin'ny fasana vaovao, hiandrasany ny fitsanganan-ko velona... ♦ Nankatoavin'ny Papa François ny 22 jona 2023 ny maha-olona hajain'ny Eglizy an'i Masera Lucie dos Santos, ilay nisehoan'i Masina Maria tao Fatima, Portugal...

Mbola tsy ampy amin'ny habetsahana sy ny hatsarana ny famokarana vilona ho an'ny omby vavy be ronono eto amintsika. Antony nahatonga ny MDB, nikarakara hetsika "Andron'ny vilona", natao tany Tsiroanomandidy ny 9 jona 2023, ary nitohy teto Analamanga, teny Anosy Avaratra, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, ny 16 jona 2023.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...