Ny volana jona no fotoana hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy. Fotoana toa izao no tokony hampahafantarana ny olona rehetra ny antony hankalazana ity fety ity. Ny fananganana ny saim-pirenena dia mariky ny fiandrianam-pirenena. Ny tantara mikasika an'i Madagasikara dia saika nosoratan'ireo mpanoratra vazaha toa an'i : Grandidier, Flacourt, Jeacques Tronchon ; ka maro ny zava-misy niniana nafenina ary izay no mahatonga ny hisalasala. Tokony hampientana ny fo tanteraka ny fiverenan'ny fahaleovan-tena ary izay no antony hananganana ny saim-pirenena miaraka amin'ireo fomba amam-panao entina hankalazana izany (arendrina, lanonana, sakafo...)
♦ Heverina hatratra 4,9% ny fitomboan'ny tahan'ny harin-karena faoben'i Madagasikara amin'ity taona ity hoy ny Praiministra Ntsay Christian, raha nanao tatitra tamin'ireo Loholon'i Madagasikara, ny asa vitan'ny governemanta izy omaly... ♦Nankatoavin'ireo Solombavambahoaka tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna ho fanohizana ny fifanarahana ara-toe-karena sy ara-barotra amin'ny Britanika... ♦Miroso ny asa fanamboarana amin'ilay tetik'asa teleferika, efa tafapetraka ny Vy andry miisa roa hisy ny tariby eny Anosy sy Ampefiloha...
Sitrapon'Andriamanitra matoa misy, asa tanan'ny Mpahary. Fa misy antony avokoa ny zavatra rehetra. Natao hidera an'Andriamanitra Mpahary ny zava-boahary. Tian'Andriamanitra avokoa ny zava-boahary ary tsy misy halany izay nataony, fa raha nisy iray halany dia tsy nataony akory. Sarobidy ny zava-boahary izay famantarana lehibe ao amin'ny Sakramenta. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
21 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco