♦ Manamarika ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona isika anio... ♦ Hodinihina ny hanomezana Faritra mitokana ho an'i Maroantsetra sy Mananara-Avaratra, hoy ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry. Nanome hafatra ho an'ireo manome baiko amin'ny manakana azy kosa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Mbola manjaka ny delestazy, nisy ireo mponina nidina an-dalambe naneho ny hatezerany momba izany olan'ny herinaratra izany... ♦ Navesatra ny vokatry ny fifandonan'ny fiara an-dalam-by miisa telo tany Inde...

Andro faha-57 ho fankalazana ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny amin'ity taona 2023 ity. Izay be ao amin'ny fo no aloaky ny vava, raha tena mahay mihaino ny hafa amin'ny fo madio isika dia mazava loatra fa ho afaka hanambara na hiteny ampahamarinana sy am-pitiavana ihany koa, ny tokony hatahorantsika bebe kokoa hoy ny Papa François. Katesizy momba ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

5 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)

Ny didy aman-dalàna sy ny didin'Andriamanitra no fototra handrafetana ny fitsipika hifampitondra eo amin'ny samy mpiara-belona. Misy amin'ireo lalàna noheverina handrindràna ny fiaraha-monina no tsy mipaka any amin'ny tontolo ambanivohitra, izany hoe tsy ampy ny fahampahafantarana azy ireny. Na nisy aza ny fivoriana nataon'ireo andrim-panjakana mpanao lalàna dia tsy misy fampahafantarana izay lalàna niadian-kevitra sy izay mety ho fampiharana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...