♦ Nihaona tamin'ny tompon'andraikitra voalohany misahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly maneran-tany eo anivon'ny Egilzy Katôlika any Vatican androany ny solontenan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara mivahiny any Roma... ♦ Mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny Fanavaozana nimatimatesana teny an-kianja hoy ireo tanora mpitolona tamin'ny hetsika GEN. Mitaky ny handravana ny andrim-panjakàna sakana amin'ny fanovana izy ireo... ♦ Sady azo tsaraina ao amin'ny Fitsaràna Avo (HCJ) sy ao amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly ny filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha ny jeneraly Ravalomanana Richard hoy ny HCC...

♦ Hitontona vanim-potoam-pahavaratra ny datin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2027, raha ny voarakitr'ilay fandaharan'asa nomena ny SADC. Ny fikaonandoham-pirenena no tokony hamaritra izany hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Olona 2 no nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora noho ny fanelezana vaovao tsy marina entina hanakorontanana ny firenena. Nanazava ny momba io tranga io ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena eto Madagasikara ny ady any Moyen-Orient hoy ny PMH. Miantso ny Fanjakàna Malagasy hitady vahaolana tsinjo lavitra dieny izao...

Taorian'ny fitondran'ny Mpanjaka Ratsimilaho dia nisy ireo nandova ny fitondrany dia ny zanaka amam-parany ; 1- Zanahary, 2- Iavy, 3-Zakavola, 4- Sasy ary 5- Tsimirilaza. Ny Miaramila nandeha niantafika notarihin-dRatsimilaho dia nanana fitaovana arifomba tamin'izany fotoana izay toy ny basy sy ny antsy lava. Isan'ireo anarana niantsoana an'i Ratsimilaho ihany koa ny hoe : Ramaromanompo. Noho ny ady fahefana nisy teo amin'ireo taranany dia nikisaka nanjaka tao amin'ny Nosy Borà, i Betia, izy izay natao batemy tao amin'io toerana nanjakàny io...

♦ Nisy olona voalohany matin'ny valanaretina MPox teto Madagasikara omaly. Zaza 3taona avy any Toamasina izy io, nentina notsaboina teto Antananarivo... ♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon XIV, omaly, ireo mpikambana amin'ny birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Anisan'ny nangatahan'izy ireo ny hitsidihan'ny Ray Masina eto Madagasikara... ♦ Antananarivo no handray ny fanamarihana nasiônaly ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy amin'ny alahady 8 marsa izao... ♦ Olona 555 farafahakeliny ireo maty any Iran, nanomboka tamin'ny nisian'ny ady any an-toerana ny sabotsy 28 febroary 2026, teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...