Ny teny dia anisan'ny fitaovana iray hifandraisana, ary ao antin'ny teny no misy ny fifampihainoana. Zo sy adidin'ny olona tsirairay ny miteny, noho izany dia tokony hohenoina izay miteny. Tsy ny teny rehetra no voatery hohenoina satria misy ireo olona izay manana fahazarana miteny ratsy. Efa niova ny soatoavin'ny fifampihainoana ankehitriny, isan'ny anton'izany ny tambajotra-tserasera isan-karazany. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

4 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

♦ Nomarihana androany ny Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Natao teto an-drenivohitra ny fikaonan-doha hamolavolana ny pôlitikam-pirenena hanentanana ny olona hiady amin'ny fanaparitahana vaovao tsy marina... ♦ Manamafy ny ady atao amin'ny valala sy ny fiarovana ny volin'ny tantsaha mpamokatra ny fitondram-panjakana, manoloana ny firongatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny "BNI Lovainjafy", fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin'ny BNI Madagascar...

♦ Efa misy ny olona voafaritry ny lalàna hametraka ny fitoriana eny amin'ny HCC, ka afaka manao izany izy ireo, raha misy fandikàna lalam-panorenana hitan'izy ireo, fa tsy izay rehetra miteny dia hovalian'ny HCC avokoa, araka ny fanamarihan'ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Tsy anjara andraikitry ny CENI ny mamorona Fokontany. Niteraka ady hevitra mantsy ny fivoizan'ny antoko pôlitika iray amin'ny fisian'ny Fokontany matoatoa any Atsimon'ny nosy... ♦ Notafihin'ny dahalo tamin'ny fomba feno habibiana indray omaly ny mpandeha avy any Vangaindrano ho any Fianaratsoa. Olona iray no namoy ny ainy tamin'izany ary maro no naratra...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...