Alahady 5 marsa 2023 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Taona A — Tao anatin’ny rahona mamimpiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)
Saro-pady ny maso ka ny hany fahendena dia ny fanatonana mpitsabo, raha vao misy fisehon-javatra hafahafa eo amin'ny maso. Mizara ho faritra roa ny maso, ka samy mety ho tratry ny aretina na hisy tsy fahatomombanana, na ny faritra anatiny na ny ivelany.
♦ Nitombo hery ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika indray, ilay rivodoza Freddy. Manatona ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy izy, ary mahafaka 9 km isan'ora... ♦ Tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny fizarana ny fanampiana ho an'ny traboina any amin'ny Ditrikan'i Nosy Varika, hoy ny Tangalamena Ramandimbison Paul... ♦ Homena sehatra misimisy kokoa mandritra ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Vehivavy, ny alarobia 8 marsa ho avy izao, ny fanabeazana ny ankizivavy...
♦ Miditra amin'ny andro fahefatra anio, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly tanterahana any Addis-Abeba. Handravina ireo hevitra voaangona ny mpandray anjara, handrafetana ny tahirin-kevitra hatolotra ny Vatican, hodinihin'ny Eevaka amin'ny volana ôktôbra 2023... ♦ Voavaha ny olan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, tao aorian'ny fitokonana lavareny noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ireo karazam-biby sy zava-maniry dia, manao ezaka hiarovana ny sokatra any amin'ny faritra ipetrahany, ny tompon'andraikitra samihafa...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco