18 aprily 2023 — Talata, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 7-15)

♦ Tanora sivy no nomen'ny Filoham-pirenena fitaovana samihafa sy fanampiana ara-bola, avy amin'ny Fihariana, ho entin'izy ireo mampandroso ny orinasany, sy mampivelatra ny tetikasam-pihariana tanterahan'izy ireo... ♦ Mitaky ny hametrahana amin'ny toerana tokony hisy azy, ny mpiteti-pivoarana eto Madagasikara... ♦ Voasambotra ny olona roa, isan'ny tompon'andraikitra tamin'ny fitondrana ireo mpifindra monina antsokosoko, saika ho any Mayotte, tamin'ilay sambo rendrika tany amin'ny Nosy-Faly, ny alin'ny 11 marsa 2023...

♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...

♦ Nahavita ny fitsidiham-paritra faha-17 tany amin'ny Faritr'i Melaky ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Nisy ny karazana ramatahora sy fanaparam-pahefana nandritra ny fihaonana tao Maintirano... ♦ Laharana voalohany amin'ny tanjaka ara-toekarena amin'ny Faritra samihafa manerana ny nosy i Sofia raha tena ampiharina ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka miverina any amin'ny Faritra ny harena ao aminy. Isan'ny nambaran'ny governora ny Jeneraly Lylison izany omaly tao Port Berger... ♦ Mitaky fifampiresahana, mialohan'ny hanohizan'ny QMM ny asa fitrandrahana ataony, ny fikambanana LUSUD. Maherin'ny 15.000 isa ny sonia voahangona mitaky izany hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...